rafanoko

Toutes mes réponses sur les forums

4 sujets de 1 à 4 (sur un total de 4)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22923
    rafanoko
    Membre

    miala tsiny raha mandray kely lay resaka fa misy mba tiako raisina ;
    ny didy nandaminana ny fanambadiana napetraky ny fanjakana malagasy teo aloha (Andrianampoinimerina ,…) dia nametraka tsara fa tsy atao valabe ny tany fa ny andevo manambady andevo/ ny tandonaka manambady tandonaka/ ny hova manambady hova / ny andriana manambady andriana ary napetrany tsara fa atao ha meloka eto amin’ny tany amamonina zay mandika izany , tsy niova akory izany na tamindRasoaherina sy ny mpandimby azy aza ary mijanona ankehitriny ho mbola source de droit raha lalàn’ny fanambadiana malagasy no jerena , mbola tsy miova ny fiteny hoe aza mitsiritra ny randrana manendrika ny hafa sy ny tsy hanaovana ombalahy misalovankosy , noho izany dia tsy afaka hanafoana izany isika na ny kolotsaimbahiny hanimba ny malagasy koa tsara amintsika ny mitazona ny hafatry ny teo aloha ; ho an’ny andriana mila tehirizina tsara ny fahadiovan’ny firazanana fa ny tena mpanjaka anie tsy maintsy tena andriana e ! ny zavadrehetra dia miverimberina foana ka rehefa
    miverina ny fanjakan’i madagasikara dia ilaina foana ny andriana,…
    zay aloha fa mba teny atsipy ny ahy iny fa tsy hoe haninona zay tinareo lazaina akory fa samia mahazo zay irin’ny fony sy zay hiafarany daholo e!

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22560
    rafanoko
    Membre

    salut daholo
    miala tsiny fa mba te hiditra kely amle resaka , marihoko fa mba fanehoankevitra ny ahy ka tsy atao hanafitohina ny hafa.
    Amiko dia ilaina ny fitahirizana ny tetiarana hatramin’ny faramandimby satria misy ilàna izany amin’ny fotoana sahaza , ny tantara raha mahatsikaritra isika dia miverimberina ny taloha mety ho lasa nefa mbola hiverina , raha miresaka fanjakan’i Baroa isika t@ andron’Andriamoraina ( tam taona 1100 ) izao fomba fitondra izao anie dia izany ihany e! misy andian’olona miafina ambadika tena mitondra ny fanjakana ary mandidy manapaka amin’ny anaran’ny mpitondra ary ireo ny Baroa taloha ihany ary dia ny mpitondra eo anarana fotsiny fa angady mondro tsy mahatapak’ahitra , ny tiako ambara dia miverimberina ny tantara , mety lasa ny mpanjaka dia misolo mpanjanaka dia misolo saribakoly dia mbola hiverina koa ny efa lasa , koa amin’ny fiverenan’ny fanjakan’i Madagasikara dia ny taranaka mpandova ny fanjakana no manan-jo hipetraka eo amin’izany fitondrana izany koa
    raha tsy manana tetiarana ianao dia tsy anaty lisitra raha honohono no fototra iorenanao ; noho izany ilaina ary misy tombotsoa ho anao na ny taranakao ny fanananao tantara indrindra raha mihevitra ianao fa taranaky ny fanjakana.
    Raha mahay ny tantaran’Andrianerinerina isika ( jereo ny lalaon’ny vazimba tao Kilonjy ) dia mazava tsara hoe avy aiza ny fototry ny fahefampanjakana ary hita ao koa hoe iza no mahazo izany , tena fototra lehibe hatry ny ela io raha ny eto Madagasikara .
    Raha ny baiboly indray no mbola jerena (azo atao ny mijery ny coran na ny Veda na ny Lotus tao …) ohatra hoe ny ohabolana toko faha 8 dia hitantsika fa zavatra masina ny fajakana sy ny fahefampanjakana izany ary rah ny Mpitoriteny no jerenao ny fahendreny dia lazainy aminao fa miverimberina ny zavadrehetra.

    Zay iny fa ny hoe Andriana , hova , andevo koa mba tiako asiana teny kely . Ny Andevo aloha dia iarahantsika mahalala fa ny olona resy an’ady na nohelohi’ny fitsarana ka voavarina no mitondra an’io laharana io , mazava ho azy fa ny rehetrta maty ho lasa andevo daholo fa tsy entina ilazana sokajin’olona na firazanana io ; ohatra i Madagasikara resin’i Frantsa dia azo ambara tsara fa firenena andevo zany hoe isika Malagasy dia andevodaholo raha ny vanopotonanan’ny fanjanahantany no resahina ary isika izao no taranany ( taranak’andevo) .Raha tamin’ny andron’ny nidiran’ny Maley teto Imerina no resahina dia ny Vazimba resy no lasa andevo ary ny mpandresy no nandrianina ; raha izao androntsika izao dia ny fanatotoloina no hanandevo ny firenena madinika rehetra.
    Ny Hova dia nentina nilazana ireo olona tsotra niaina malalaka ( nefa tsy mpitondra ) tamin’ny andro fahampanjaka hatramin’ny andronRalambo , fa taty aorinana rehefa tapitra ny tantara isampoko ka miditra ho tantaran’i Madagasikara isika dia nilazana ny rehetra io ary lasa nanome fiovana be aza teo amin’ny fitondrana ka izay no nisian’ny vanimpotoana hoe manjaka hova , Andriatilavo _ Rainiharo _ Rainilaiarivony ohatra dia hova nefa mpitondra tetoamin’ny firenena.

    Ny Andriana dia ireo mpandresy tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny fanitarampanjakana tamin’izany , olona mahery manantsaina mahafehy fitantanana zavatra goavana , ny taranany dia tokony ho toa azy raha manaraka tsara ny fitaizana sahaza azy ; rehefa tsy nisy intsony ny ady dia niezaka nanabe ny taranany ho lasa andriana toa azy ireo Andriana taloha ary misy ny rafitra tsara lamina nanaovany izany dia ny KABARY ( jereo ny momba ny kabary dia ho fantatrao fa institution gasy taloha ny kabary ) , misy laharamboninahitra tao izay hikilasiana ny fahaizan’ny tsirairay , ahitana voninahitra 16 io ary ny 13_14_15_16 Vtra noatao hoeAndriana izany hoe grady ny atao hoe andriana , noho izany tsy hoe zanak’andriana ianao dia lasa andriana ho azy eo tahaka ny hoe tsy ny zanaka docteur dia docteur fa mila mianatra aloha vao ho amin’izany. Heveriko fa azonareo ny tiako ambara , mety ho taranak’Andriana isika nefa tokony samy miezaka mba ho lasa Andriana satria izany anie no tsy ampy eto amin’ny tanàna ka mampikorosifahana ny firenentsika toa izao e! Mila Andriana mitondra azy ity Madagasikarantsika ity dia tafavoaka amin’izao haizina manarona azy izao.

    Ny HASINA dia KABARY iray azahoantsika manao ny initiation azahoana manefy indray ireo manamboninahitra ho afaka miaro indray ny fiandrianampirenentsika , izaho zay manoratra aminareo no Mpitsok’Afo mpamerindoha ny Hasin’ny Malagasy koa raha misy azontsika hiheverana ny fampandrosoana an tanàna dia azoano atao ny mifanoratra aminay amin’ny mailto : kotoali2000@yahoo.fr na miantso ny 034 40 005 62 .

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22159
    rafanoko
    Membre

    tena mampmé be aloha lé etre andriana eto amin’ny tanàna e!
    anarana fanao amin’ny olona gli dia somary ampiana keky hoe afenina any ananona , ny ankapobeny ny olona rehefa tsy izany dia hamafisina ery hoe izany , ny zavatra efa masina tsy mila hamasinina intsony koa raha izany tokoa ilay olona dia tsy akory antony hanandrianana azy ,
    fa izany eo ihany fa io titre io angé manambara ny asa aman’andraikitra zay zakain’ilay olona e!
    ny hitako amin’izao fitombon’ny isan’ny mponina izao aloha dia azo lazaina ho Andriambodi…….lova daholo ny ankamaron’ny gasy

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22158
    rafanoko
    Membre

    efa niaritra zavamangidy maro isika malagasy hatry ny nidiran’ny mpanjanaka sy ny nitondran’ny saribakoliny ka heveriko fa fotoana kosa izao ho antsika mba hanafaka ny firenena amin’ny gejan’ireo fahavalo , ndeha hamondrona ny hery isika hamerenantsika ny fiandrianam-pirenentsika sy ny fahaleovantenan’ny toekarena malagasy ; isan’ny zavatra tokony ataontsika ny mampody ny mpanjaka RIII aty antanindrazana amin’izay , tokony hivondrona araka ny zony aby isika rehetra handaminana ny asa zay atao ; samia manontany ny tenany aby amin’izay tena anjara andraikiny dia mivonona hiasa , aoka izay izao fanapotehina an’i madagasikara izao, ndao isika rehetra hisiki-ponitra hana izay fara haintsika hanovana ny tantara ho amin’ny tena fandresena ho amin’ny tena fandrosoana mba hamelantsika lova tsara ho an’ny taranaka far amandimby ho sambatra tokoa i Mdagasikara.

4 sujets de 1 à 4 (sur un total de 4)
error: