Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 726 à 730 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #22543
    kokol
    Membre

    miarahaba antsika rehetra!

    raha namaky ny voasoratra ato aho dia nahatsikaritra fa famelabelarana tetiarana sy fanehoana ny fahalalana momban’ny andriana no tena feno ato, ary lasa ady hevitra be mihintsy io resaka tetiarana io, nefa raha izaho manokana dia tsy hitako zay tena ilana hidirana lalina amin’io resaka io satria:
    -efa tsy fahampanjaka intsony zao, ka ataoko fa tsy ilaiko intsony ny hi justifier ny « rang » satria tsy misy tombotsoa mety ho azoko mihintsy
    -na haverina amin’ny andriana aza ny lovany (rova ohatra), noho ny hamaroan’ny taranaka dia mety ho bozaka iray sisa no ahy nefa efa lany andro sy lasantsy mikaroka momba ny lasa
    -raha hanambady aho, izay vehivavy hitako fa tsara tarehy manana fianakaviana « presentable » no hovadiako fa izaho tsy hanambady sipa zazamarolahy nefa tsy manintona ahy.
    – ny zava dehibe amiko dia ny fiainako fa tsy ny fiainan’ny dadabean’ny dadabeanay, raha mpanjaka ny razambeako nefa izaho ataon’ny olona mpanampy an-trano, na ny mifanohitra @zay hoe andevo ny razako nefa izaho mba tafita, dia inona moa no hilako ahafatarako izay tany aloha be tany sy hiadiko hevitra be?
    -mety ho afaka 60 taona aho dia ho faty ka tsy ilaiko ny hiasa saina na amin’ny razambeako na ho an’ny zafin’ny zafiafiko fa samy manana ny fiainany izahay, eny fa na dia faniriako aza ny mba hiainan’ny taranako amin’ny fiadanana.

    ady hevitra moa ny antsika ka asa ianareo zokiolona raha mitovy fijery amiko na ahoana, (na dia fantatro aza fa tsy azo hiadian-kevitra momba io ny ankamaroany sady tonga dia tezitra sy manao farateny)

    #22544
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra indray e!

    Misaotra aloha @ ilay valiteny. Hoy ianareo oe any @ fasana sy tetiarana no sisa ahitana azy. Raha ny hitako aloha dia tsy de marina 100% izany satria betsaka ny manisy sira. Ohatra nisy ramatoa maty aizy côtière. Izy anefa nanambady andriana avy eto Imerina. Maty t@ ty taona ity dia nalefa t@ gazety iray ao @ filaza manjo. Ny nampiome anahako dia ao @ ilay ferapary ery @ farany dia nasiana oe »hafenina ». Koa rehefa manambady andriana ve izany na dia tanindrana dia atao andriana. Ka izay no hilazako fa tsy hita intsony satria otran samy tsy manaiky gisitra ny rehetra.

    Soava tsara daholo tompoko!

    #22547
    Ratany
    Membre

    Fahasalamana daolo,
    Sao mba misy terak’i Rahovy ato marina, mitady tantara amin’iny marovatana iny ny tena , misaotra mialoha é

    #22560
    rafanoko
    Membre

    salut daholo
    miala tsiny fa mba te hiditra kely amle resaka , marihoko fa mba fanehoankevitra ny ahy ka tsy atao hanafitohina ny hafa.
    Amiko dia ilaina ny fitahirizana ny tetiarana hatramin’ny faramandimby satria misy ilàna izany amin’ny fotoana sahaza , ny tantara raha mahatsikaritra isika dia miverimberina ny taloha mety ho lasa nefa mbola hiverina , raha miresaka fanjakan’i Baroa isika t@ andron’Andriamoraina ( tam taona 1100 ) izao fomba fitondra izao anie dia izany ihany e! misy andian’olona miafina ambadika tena mitondra ny fanjakana ary mandidy manapaka amin’ny anaran’ny mpitondra ary ireo ny Baroa taloha ihany ary dia ny mpitondra eo anarana fotsiny fa angady mondro tsy mahatapak’ahitra , ny tiako ambara dia miverimberina ny tantara , mety lasa ny mpanjaka dia misolo mpanjanaka dia misolo saribakoly dia mbola hiverina koa ny efa lasa , koa amin’ny fiverenan’ny fanjakan’i Madagasikara dia ny taranaka mpandova ny fanjakana no manan-jo hipetraka eo amin’izany fitondrana izany koa
    raha tsy manana tetiarana ianao dia tsy anaty lisitra raha honohono no fototra iorenanao ; noho izany ilaina ary misy tombotsoa ho anao na ny taranakao ny fanananao tantara indrindra raha mihevitra ianao fa taranaky ny fanjakana.
    Raha mahay ny tantaran’Andrianerinerina isika ( jereo ny lalaon’ny vazimba tao Kilonjy ) dia mazava tsara hoe avy aiza ny fototry ny fahefampanjakana ary hita ao koa hoe iza no mahazo izany , tena fototra lehibe hatry ny ela io raha ny eto Madagasikara .
    Raha ny baiboly indray no mbola jerena (azo atao ny mijery ny coran na ny Veda na ny Lotus tao …) ohatra hoe ny ohabolana toko faha 8 dia hitantsika fa zavatra masina ny fajakana sy ny fahefampanjakana izany ary rah ny Mpitoriteny no jerenao ny fahendreny dia lazainy aminao fa miverimberina ny zavadrehetra.

    Zay iny fa ny hoe Andriana , hova , andevo koa mba tiako asiana teny kely . Ny Andevo aloha dia iarahantsika mahalala fa ny olona resy an’ady na nohelohi’ny fitsarana ka voavarina no mitondra an’io laharana io , mazava ho azy fa ny rehetrta maty ho lasa andevo daholo fa tsy entina ilazana sokajin’olona na firazanana io ; ohatra i Madagasikara resin’i Frantsa dia azo ambara tsara fa firenena andevo zany hoe isika Malagasy dia andevodaholo raha ny vanopotonanan’ny fanjanahantany no resahina ary isika izao no taranany ( taranak’andevo) .Raha tamin’ny andron’ny nidiran’ny Maley teto Imerina no resahina dia ny Vazimba resy no lasa andevo ary ny mpandresy no nandrianina ; raha izao androntsika izao dia ny fanatotoloina no hanandevo ny firenena madinika rehetra.
    Ny Hova dia nentina nilazana ireo olona tsotra niaina malalaka ( nefa tsy mpitondra ) tamin’ny andro fahampanjaka hatramin’ny andronRalambo , fa taty aorinana rehefa tapitra ny tantara isampoko ka miditra ho tantaran’i Madagasikara isika dia nilazana ny rehetra io ary lasa nanome fiovana be aza teo amin’ny fitondrana ka izay no nisian’ny vanimpotoana hoe manjaka hova , Andriatilavo _ Rainiharo _ Rainilaiarivony ohatra dia hova nefa mpitondra tetoamin’ny firenena.

    Ny Andriana dia ireo mpandresy tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny fanitarampanjakana tamin’izany , olona mahery manantsaina mahafehy fitantanana zavatra goavana , ny taranany dia tokony ho toa azy raha manaraka tsara ny fitaizana sahaza azy ; rehefa tsy nisy intsony ny ady dia niezaka nanabe ny taranany ho lasa andriana toa azy ireo Andriana taloha ary misy ny rafitra tsara lamina nanaovany izany dia ny KABARY ( jereo ny momba ny kabary dia ho fantatrao fa institution gasy taloha ny kabary ) , misy laharamboninahitra tao izay hikilasiana ny fahaizan’ny tsirairay , ahitana voninahitra 16 io ary ny 13_14_15_16 Vtra noatao hoeAndriana izany hoe grady ny atao hoe andriana , noho izany tsy hoe zanak’andriana ianao dia lasa andriana ho azy eo tahaka ny hoe tsy ny zanaka docteur dia docteur fa mila mianatra aloha vao ho amin’izany. Heveriko fa azonareo ny tiako ambara , mety ho taranak’Andriana isika nefa tokony samy miezaka mba ho lasa Andriana satria izany anie no tsy ampy eto amin’ny tanàna ka mampikorosifahana ny firenentsika toa izao e! Mila Andriana mitondra azy ity Madagasikarantsika ity dia tafavoaka amin’izao haizina manarona azy izao.

    Ny HASINA dia KABARY iray azahoantsika manao ny initiation azahoana manefy indray ireo manamboninahitra ho afaka miaro indray ny fiandrianampirenentsika , izaho zay manoratra aminareo no Mpitsok’Afo mpamerindoha ny Hasin’ny Malagasy koa raha misy azontsika hiheverana ny fampandrosoana an tanàna dia azoano atao ny mifanoratra aminay amin’ny mailto : kotoali2000@yahoo.fr na miantso ny 034 40 005 62 .

    #22561
    Ratany
    Membre

    Tsy marina daolo ny voalazanao ry rafanoko

5 sujets de 726 à 730 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: