andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 366 à 370 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22164
    tantsaha
    Membre

    Ampiako,kely fa ampy kely ka sao misy manao interpretation hafa,
    mpianakavy daholo aloha ny havanandriana rehetra, ary raha hatreo amin’Andriatompokoindrindra hatraty amin’ny zanakandriana dia mpianakavy koa ireo na dia misy tsy te ahalala izany aza.
    Andriamasinavalona dia zafin’Andriatompokoindrindra.
    Ny renin’Andriambelomasina dia nanambatra ny terak’Andrianjaka sy Andriatompokoindrindra. Tanteraka teo ilay teny hoe izaho no tompon’ny farany. Ka marina fa nilaza tamin’Andrianjaka Andriatompoindrindra fa hasiany trano ny fasany sy ny tarananany na dia efa nisy hatrany amin’Andriamamilazabe aza ny trano manara, dia midika na dia mbola nanavao ny fandaminana indray taty aoriana Andrianampoinimerina dia amin’ny lafiny iray dia amin’ny maha terak’Andriatompoiindrindra an’ireo Zanakandriana, Zazamarolahy , Andriamasinavalona sy Andriatompoindrindra aloha no mahatonga ny trano manara eo amin’ny fasan’ireo, dia manaraka moa ireo izay nomen’Andrianampoinimerina taty aoriana, anisan’izany ilay sipany hovavavy iray.

    #22165
    tany
    Membre

    dia manaraka moa ireo izay nomen’Andrianampoinimerina taty aoriana, anisan’izany ilay sipany hovavavy iray.

    io tranomanara io dia TSY AZO soloina intsony rehefa nirodana.

    #22166
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry tany!
    Araka ny nolazainao dia TSY AZO soloina ny tranomanara rehefa nirodana. Maninona anefany naverina ilay tranomanara tetsy @ fitomiandalana rehefa naerina @ endriny tany aloha ireo taranany.

    #22167
    tany
    Membre

    Miarahaba anao ry Ampandrana.
    Mba vakio tsara ny vosoratra e…Tsy mbola nilaza aho fa tsy azo soloina ny tranomanara nirodana….
    Io tranomanara voalazako etsy ambony etsy dia MIKASIKA ilay tranomanaran’ ilay sakaizan’ Nampoina……Hova izy io…namana akaiky dia akaiky an-dRalesoka .
    Anisan’ny vehivavy tian’Nampoina izy io ary fangalan’izy mianadahy toro hevitra.
    Maty izy…najain’Nampoina @ tranomanara… Nanafatra anefa i Nampoina fa tsy azo soloina intsony io tranomanara io rehefa mirodana.

    Ny eny an-drova indray dia aleo i Mpirery no hamaly azy

    #22178

    tsara va tompoko o!

    mba saika hanontany anie hoe inona ny mahatonga ireo zanakandriana sy zazamarolahy ary andriamasinavalona eto imerina fady homan-kena azo avy amin’ny biby manana tongotra efatra rehefa misy miamboho ny fianakaviana ao aminy..????

    misaotra betsaka tompoko.

5 sujets de 366 à 370 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: