Actus

VIDEO. Une interview de Ndriana Rabarioelina du Fianakaviamben’ny Andriana

Ces derniers temps, les monarchistes gagnent du terrain à Madagascar, principalement à cause du système républicain totalement boiteux, entre scandales à répétition sur fond de corruption, non respect de la Constitution et des lois, nominations douteuses dans les plus hautes institutions de l’Etat, bafouement des « fady » pour la restauration du Rova d’Antananarivo… La liste est très longue.

C’est dans ce cadre que Ndriana Rabarioelina a été invité par Real TV Madagascar.  Visiblement très remonté, le journaliste évoque l’existence des Zazamarohaly, censés occuper le trône en cas de restauration de la monarchie et questionne Ndriana Rabarioelina sur sa légitimité. La restauration du Rova ainsi que la restitution des Nosy Malagasy sont aussi abordées. Une interview à ne pas rater.

https://www.youtube.com/watch?v=Mu7UtQSD03c

S’abonner
Notification pour
guest

18 Commentaires
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Prince of Mada

Le Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, issu de la branche aînée de la Maison Royale, Chef de la Maison Royale de Madagascar, a déclaré que la restauration des palais royaux dans l’enceinte du Rova d’Antananarivo doit se faire dans le respect des traditions royaux Merina et à l’identique, sans ajout ni retranchement, et pas d’ascenseur ni de coliseum.

Precision

Je suis curieux et impatient de connaître la vérité sur l’incendie du rova d’après le documentaire cité on a déjà 2nom .un francais et un arabe et un colonel malagasy inconnu .Qui sont les commanditaires ? Qui sont les exécuteurs? L’INCENDIE EST Peut-être PARTI TOUT SEUL

laolina be

Il est très très tendu ce journaliste, tellement tendu qu’il devient très agressif. Calme elah ry mpanao gazety fa tsy averina andevo ange e! mdrrrrrr

bets

Ra vao olona tsy andriana miresaka @ andriana dia matetika zay foana, misy complexe hoatriny io journaliste an Real Tv io

Ranavalona voalohany

Ry vahoaka amban’ny lanitra, aza manaiky ampiadin’ny vahiny. Fa angaha heverinao oe « andevo » io journaliste io ? Inona no mahatonga ano ilaza izany ? Miresaka démocratie (légitimité) izy, fa tsy misy idirana’izany resaka izany.

hanj

Ka izy ihany no miresaka andevo eo ko. Journaliste an real tv misy mampme, mila vrai professionnel refa manao interview fa ra vao complexé de oainina be

Brandon

Diso ny voalazan-dRabarioelina momba ny Fanjakana Merina voalohany. Tsy ao Ambohimalaza no niantombohany fa tany Fanongoavana, ary avy eo nifindra teo amin’ny faritra Ankadivoribe Atsimo ( Ampandrana, Ambohitraina, Ankadivoribe, … ). Avy ao Rangita izay taranak’Andrianerinerina no nifindra tao Merimanjaka mba hanitatra Fanjakana. Dia nifindra tao Alasora avy eo ary izay vao nanenika an’Avaradrano ( Ambohimalaza, Ambohidrabiby, Ambohimanga, … ).
Izany hoe : avy eo Atsimondrano no niandohan’ny Fanjakana Andriana fa tsy nisy Andriana izany tany Avaradrano tany am-piandohana.

Andrianerinerina

Ny Mpanjaka Andrianerinerina (c. 1275 AD), Lahimatoan’Imerina, nanjaka tao Kilonjy avy eo tao Anerinerina (ao amin’ ny Kominina Ambohimalaza ankehitriny), no Mpanjaka Merina voalohany tao Avaradrano Zokin’Imerina, ary nafenina ao Anerinerina-Ambohimalaza.

Ny tarànany Andrianampongandanitra (c.1300 AD) no nifindra sy nanjaka tany Ifanongoavana (faritra Ivakiniadiana ankehitriny).

Avy eo, ny taranaky ny Mpanjaka Andrianampongandanitra tao Ifanongoavana no nifindra monina tany Ampandrana (andrefan’ ny tendrombohitra Iavoloha ankehitriny) ary nanjaka tao, dia ireo Mpanjaka nifandimby Rafandrana, Rafandrandava, Rafandrampohy, Ramasindohafandrana, ary Rafandramanenitra (c.1400-1500 AD).

Ny Mpanjaka Rangita, taranak’ireo Mpanjaka Rafandrana nifandimby tao Ampandrana, no nifindra monina sy nanjaka tao Imerimanjaka (c.1500-1525 AD).

Ny Mpanjaka Rafohy (c.1525-1550 AD) no nandimby azy ary nonina sy nanjaka tao Alasora. Ary nandimby azy ny zanany Mpanjaka Andriamanelo tao Alasora (c.1550-1575 AD).

Ny Mpanjaka Ralambo (1575-1600 AD), zanaky ny mpanjaka Andriamanelo, no nifidra monina tao Ambohidray Ambohimalaza sy Ambohidrabiby Hasin’Imerina (c.1575-1600 AD) ary nanjaka tao.

Nandimby azy ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra (c.1600-1610 AD) tao Ambohimalazabe ary avy eo ny Mpanjaka Andrianjaka (c.1610-1630 AD) tao Antananarivo…sns.

Brandon

Ny Andriana Ndriana Rabarioelina ihany koa dia tsy tsy lehiben’ny Fikambanan’ny Ampanjaka manerana an’i Madagasikara akory. Tsy manaiky an’izany ny tena Ampanjaka rehetra eto amin’ny Firenena.
Ny Antenimieran’ny AndrianaMerina no mamondrona ny Andriana rehetra eto Imerina 6 toko ary ny Antenimieran’ny Oloben’i Madagasikara no mamondrona ny Andriana manerana ny Nosy.

Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara

Ny Prince Etienne Etienne RALITERA sy ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin’ ny Lahimatoan’Imerina, no nampivondrona ny Fikambanan’ Andriana marobe eto Imerina Eni-Toko, nanomboka ny taona 1995, ary efa niaraka nivory sy niaraka nanao zavatra im-betsaka.

Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin’ ny Lahimatoan’ Imerina, izay nitety an’ i Madagasikara nanomboka ny Taona 1995, no nampivondrona indray ireo Ampanjaka lehibe manerana an’i Madagasikara tao anatin’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara. Marihina fa ireo tena Ampanjaka be manerana an’i Madagasikara, ary andriandray andriandreny ihany no tafiditra ao. Ary efa nisy nentiny niaraka nandeha tamin’ ny Fivoriamben’ ny Ampanjaka manerantany izy ireo.

PS: Ny resaka AAM (izay tena vitsy mpanaraka dia nanomboka tamin’ ny taona 2018) sy ny AOM dia zavatra mbola taty aoriana (2018).

Laolina be

Mais le journaliste s’énerve tout seul, manque de self control et ça montre que c’est pas un andriana, ni un professionnel du journalisme. Sa remarque est très débile, oe iza zany no andevo. Kiiiii krkrkrkrkr mba hataovy journaliste serieux @ manaraka ry Real Tv a!

Radama

lé resaka prince na ampanjaka na andriana – hova – andevo tsy dia important fa ny lazainy momba ny toedravatra mitranga ao @ny lay M/car atraminy zay ka atraminy zao dia azo raisina tsara sy ho eritreretina ! sy ny hoe zay tokony atao na tsy dia misy famarinany !
ny momba ny hoe andevo na andriana anié ka diso fandraisana lay olombelona é !
ny mokiny – fahendrena -olomendrika – fahaizamiaina ananao no maha andriana na andevo anao fa tsy ny race nao akory no mitondra azy ! ps: somary coincé aloha lay journaliste é ! kanefa moa……bon……

Brandon

Fa raha Andriana ianao dia ataoko fa tsy hanambady Mainty Enin-dreny ka. Na ny Hova koa tsy hanambady Mainty Enin-dreny na Mainty Manisotra ohatra. Jereo ny manodidina anao anie e !
Mba vakio koa anie ny boky nosoratan’i Mompera Jésuite Rémy Ralibera e, ilay navoakany talohan’ny nahafatesany ary amidy ao amin’ny Librairie Saint-Paul. Miresaka ny anjara andraikitry ny Mainty eo amin’ny fiaraha-monina izy, ka ny ohatra noraisiny tamin’izany ny tenany izay Mainty Manisotra sy Colonel Ratsimandrava izay Mainty Enin-dreny.
Ankoatra izany tsy azo hadinoina ny resaka « mandrorona ». Misy lalàna mifehy an’io hatramin’Andriamasinavalona ary nohamafisin’Andrianampoinimerina.

Masina i Madagasikara

Interview Real TV Madagasikara :

Fanambarana nataon’ ny Prince Dr. NDRIANA RABARIOELINA, avy amin’ ny Lahimatoan’Imerina, Lehiben’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara :

« …Frantsay mpanjanantany miaraka amin’ ny karana no fahavalon’ ny Ampanjaka sy ny Vahoaka malagasy nanomboka tamin’ ny Taona 1642, nitohy tamin’ ny Fizarazaràna an’ i Afrika sy Madagasikara ho an’ ny firenena tandrefana (1884-1885), ny Fanjanahantany (1896-1960), ny Fanenjehana ireo Tia Tanindrazana Menalamba sy Sadiavahy (1896-1905), ny mpitolona VVS (1913-1915), ny Mpitolona Mdrm, Jina, Panama ho an’ ny Fahafahana (1947-1948), ny Fanesorana ireo Nosy Malagasy efatra manodidina (04 Aprily 1960), ary ny Fibodoana ireo Nosy Malagasy efatra manodidina (23 Oktobra 2019)….Aoka izay !

Koa andao hajaina ny Soatoavina malagasy ary hamafisina ny Firaisankina eo amin’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara sy ny Vahoaka malagasy…!

Ary isika tsy hanaiky intsony hampiadian’ ireo vahiny mpanjanantany, mpanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary…! Aoka izay !

Tany Masina i Madagasikara !

Brandon

Tena be mpanaraka ny AAM sy ny AOM fa tsy araka ny filazan’ Ambohimalaza azy. Ary tena manahirana an-dry zareo Ambohimalaza io famondronana marina ny Andriana manerana ny Nosy io.
Ny Andriana any anindrana moa dia tsy manaiky velively an-dry zareo Ambohimalaza mihitsy.

Andrianjaka

Diso tanteraka. Ny AAM sy AOM betsaka safiotra.

Rabehendry

Salanitra ny ambanilanitra
Mino tantetaka aho 100 o/o fa tsy ho ela dia ho tafavoaka ny malagasy. Fa misy fototra iaingana io ary ny gasy irery anefa no manana azy. Ary fantatry ny malagasy rehetra izany fa ilaina fanazavana. Vonona aho hanaporofo izany hifanatrika aminao Printsy RABARIOELA fa miandry ny fiantsoanao. MANAJA TOMPOKO.

Andrianjaka

TANTARAN’ ANDRIANA ETO MADAGASIKARA:

« ..Ny Mpanjaka Andrianerinerina Lahimatoan’Imerina (c.1280-1300 AD) no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy sy Anerinerina ao Avaradrano Zokin’Imerina. Ny Fianakaviamben’ ny Andriana Merina dia efa nanomboka tamin’ ny andron’ ny Mpanjaka Andrianerinerina (c.1280 AD).

Ny tarànany Mpanjaka Andriamanjavona dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka Andriananjavonana (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe.

Ny Tarànany Mpanjaka Andrianampongandanitra (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. Ny tarànany Mpanjaka Andrianamboniravina (c.1350-1375 AD) ary ny Mpanjaka Andriandranolava (c.1375-1400 AD) dia nanjaka tao Ambatondrakorika.
Ireo Tarànany Mpanjaka Rafandrana, Mpanjaka Rafandrandava, Mpanjaka Ramasindohafandrana, Mpanjaka Rafandrampohy, Mpanjaka Rafandramanenitra dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-1500 AD).

Ny tarànany Mpanjaka Rangitamanjakatrimovavy (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.
Ny tarànany Mpanjaka Rafohy (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin’ ny zanany Mpanjaka Andriamanelo (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka Ralambo (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin’Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. Ny Mpanjaka Ralambo no nametraka ny Fizokiana toy izao amin’ireo Fianakavian’ ny Mpanjaka : Andriantompokoindrindra, Zanadralambo amin’ Andrianjaka, Andrianamboninolona, Andriandranando, izay tsy azo hovana.

Araka ny Soatoavina Andriana Merina navelan’ ny Mpanjaka Andrianerinerina ary nohamafisin’ ny Mpanjaka Ralambo dia Andriandahy, andriandray andriandreny, ary Taranaka mivantana avy amin’ ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan’ Imerina (c.1600-1610 AD) Tompon’ ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin’ ny Mpanjaka Andrianjaka (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin’Imerina irery ihany no mahazo manjaka ary tsy azo hovana… ». Fa izay manova dia voaozona.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

error: