andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
01/04/2010 à 14h19 #21974
ambodirano
Membre…Amiko io dia fahadisoan-tetiarana avy @ Rabenjamina, mba te hilaza ny @ Antsahadinta ny avy eny Iharanandriana, ka dia mba te hiteny koa izy hoe avy eo Antsahadinta ny renin’Andrianamboatsimarofy izay efa mazava fa zanaka vavin’Andriampoinimerina.
Ny renin’Andrianamboatsimarofy dia zanak’Andriampoinimerina , avy amindrainy izay , fa avy amindreniny Rasahala izy angaha tsy avy eo Antsahadinta ?
01/04/2010 à 18h30 #21975mpijery
MembreTsy haiko izay fitehirizanareo ny momba an-dRasahala fa aty aminay izy dia avy @ ireo zanadRanavalotsimitoviaminandriana ny reniny ka na lazaina fa Andriabetandra no rainy na lazaina fa Andriambolanambo dia na Anosikely-Fenoarivo izany na Namehana, mbola tsy hitako mihitsy ny idiran’Antsahadinta.
Ny idirany tsy ferako fa ny hitsin-dàlana tsy azoko ekena, betsaka ny scenario mety nitranga zay tsy tiako velabelarina eto.02/04/2010 à 7h45 #21976mpandalo
MembreFa ahoana e. Fa isika eto angaha tsy mbola namaky ny tatitra nataon’ i Nicolas Mayeur tamin’ny 1777 sy 1785 ? Andrianamboatsimarofy mihintsy ange no nalehany tany e.
02/04/2010 à 13h57 #21977ambodirano
MembreTsy haiko izay fitehirizanareo ny momba an-dRasahala fa aty aminay izy dia avy @ ireo zanadRanavalotsimitoviaminandriana ny reniny … mbola tsy hitako mihitsy ny idiran’Antsahadinta.
…Ka any aminareo io fa tsy toy ny anay , ny anareo io dia mitovy amin’ny tetiarana eraky ny tranokala rehetra saingy manana ny tantarany Rasahala vadin’Andriampoinimerina fa aza afangaro amin’ny renibeny koa anefa !
Raha ny antony nanafenana an’Andriantsiramanjaka eny Alasora dia adinoko ny nanampy hoe ny fahatahoran’i Mavo ny Hasin’Antsahadinta no nandidiany azy ho atao teny. Eny , sanatria tsy henatra tokoa izany .
02/04/2010 à 21h17 #21978mpijery
MembreMba tantarao kely ilay momba an-dRasahala any aminareo fa liana tokoa ny tena
Raha ny antony nanafenana an’Andriantsiramanjaka eny Alasora dia adinoko ny nanampy hoe ny fahatahoran’i Mavo ny Hasin’Antsahadinta no nandidiany azy ho atao teny. Eny , sanatria tsy henatra tokoa izany .[/quote]
Raha fantatrao ny tantara nanaovana an’ilay iraikalahy nilaza hoe « taloha » teo Antsahadinta (tsy miresaka ny zanak’Andriamangarira aho eto) dia ho azonao fa nandidy izay tiany teo Antsahadinta Ranavalona ary nifankahazo tsara Andriantsira sy i Mavo fa tsy concurrent ary tsy vitan’izany fa Ambohimiakoja dia vohitra talohan’Antsahadinta, Ivatobe koa aza mbola talohany zanaka Antsahadinta @ tetiaran’ny andriamasinavalona ambodirano. Ambohimiakoja sy Vatobe no loharano nipoiran’ny andriamasinavalona amin’iny faritra iny (ny andriamasinavalona vita répertoire faha-tany gasy no resahiko eto). Raha nanjary renivohitra Antsahadinta avy eo iretsy no loharanon-kasina.
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
