andriana manoa???

3 sujets de 6 à 8 (sur un total de 8)
  • Auteur
    Posts
  • #23339
    MisEranA02
    Membre

    Salama e!
    Ny Andriandoriamanjaka dia ireo zana-dRABEFARAVOLAMANJAKA zana-dRabiby tamin’Andrianamboninolona. Izany hoe zanakandriana izy ireo tamin’ny andron-dRabiby angamba, fa tsy tafiditra intsony tao amin’ny filaharan’ny Andriana merina intsony taty aoriana. Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia ny tera-dRasoherina sy Ralesoka no zanakandriana . Noho izany dia tsy voasokajy anatin’ny zanankandriana izy ireo.

    #23341

    ok. Misaotra betsaka tamin’ny fanazavana, tena nanampy be ahy

    #23358
    Anonyme
    Inactif

    mahagaga ihany raha ny vavy angatahina no manadihady ny lahy…ny andriana manoa dia andriana tokony hanjaka saingy tsy nanaiky hanjaka na tsy nampanjakainy . Fa ny andriandoriamanjaka tsy andriana nanoa fa andriana mahazo manjaka ka izy no nalefa namorona fanjakana ivelan’Imerina tamin’i Rabiby sy Ralambo. Porofon’izany, lasa razan’andriana nanjaka tany Anjozorobe izy ireo rehefa nivady tamin’ny andriana mpifanakaiky sisintany any, mariazy diplomatika izany. Toy izany koa nalefa hifanambady amin’ny Andriambahoaka afovoantany any Imamo izy ireo hitana ny fihavanana eo amin’ny Andriambahoaka sy Ralambo. Vokatr’izany, iza no tsy taranak’Andriandoriamanjaka? Andrianampoinimerina amin’ny maha taranak’Anjozorobe azy dia taranak’Andriandoriamanjaka. Ranavalona III koa amin’ny maha Imamo azy dia taranak’Andriandoriamanjaka. Ary izany no nilazan’Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina fa havany ry Andriamborona sy Ampanarifito tonga tao Ambohimanga ka nokasainy hatao Andriamasinavalona sy Andrianamboninolona satraia taranaky Rabiby sy Ralambo avy amin’Andriandoriamanjaka ihany ireo…Ary tsodrano anie ilay hoe Andriandoriamanjaka: ary tso-drano tanteraka satria avy amin’ny taranak’Andriandoriamanjaka ireo nanjaka nalaza tamin’ny tantara na Andrianampoinimerina na Ranavalona III….Manaporofo izany, hitako fa tsisy olana matoa ny telo amin’ny 4 amin’ny raiamandrenin-drazazalahy hoy ianao ihany dia Andriamasinavalona…

3 sujets de 6 à 8 (sur un total de 8)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: