andriana manoa???

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 8)
  • Auteur
    Posts
  • #17361

    Hono a, mikasa ny hanatateraka vodiondry aho miaraka@lay olotiako, izaho Andriana ary izy koa dia fantako fa andriana. Andriamasinavalona (ray sy reny) izy avy@dadany ary ny mamany kosa dia andriamasinavalona (avy@reniny) ary Andriadoriamanjaka (rainy). Ny fanontaniako dia zao, inona moa zany no atao hoe andrina nanoa? moa tsy voasokajy anatin’ny andriana intsony ve ireo andriana nanoa? henoko koa mantsy fa misy razany nanoa, ka mba tiako fatarina hoe inona no dikan’io? mbola tsy sahy manotany ny fianakaviko momban’io a sao voasokajy ho « tsy andriana » intsony ireo nanoa ka hampisy problème ao@fianakaviana. Misaotra mialoha

    #23330
    Anonyme
    Inactif

    Andriana foana na nanao aza, fa nanaiky ny tsy hanjaka ny dikany .
    Andrianamboninolona izao nanoa, Andriantompokoindrindra koa sns be dia be.
    mety ho lavabe ny valiny fa ataoko fa ampy izay.

    #23331
    Anonyme
    Inactif

    andriana nanoa no tiako lazaina évidemment fa tsy nanao.

    #23332
    MisEranA02
    Membre

    Salama !
    Mino aho fa tsy hampisy problème ao @ fianakavianao ilay hoe andriana nanoa. Mety ho problème dia ilay Andriandoriamanjaka, arakaraka ny firazanana misy anareo anefa io. Tsy ao anatin’ny firazanan’andriana 7 mantsy ny Andriandoriamanjaka ka izay no mety ho problème kely. Mino aho fa tsy problème koa io satria ny mamany izay manila andriandoriamanjaka dia efa niarina nananmbady andriamasinavalona asa anefa fa misy sarotiny ny fianakaviana sasany.

    #23333

    misaotra betsaka t@ireo valinteny fa tena manampy tokoa. fa tiako iverenana ihany hoe angah moa ny andriadoriamanjaka tsy zanakandriana? tiko tenenina hoe voasokajy anatin’ny zanankandriana (izay volohany @antanatohatry ny andriana izay arahin’ny zazamarolahy sy ny andriamasinavalona?) izay mantsy no nolazain’i bebe-any ary nanao recherche kely koa aho dia nahita izay tao anatin’ny tantaran’ny andriana. misaotra mialoha @valin-teny

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 8)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: