Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 206 à 210 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20440
    Anonyme
    Inactif

    Sao de misy mahalala:
    Ascendance RAINIVAONDRIANA avy ao Ambohitsiroa Andakana Ambohidratrimo.
    Na koa ascendance et descendance RAINISOALANGA avy ao Ambohidratrimo.
    Misaotra mialoha.

    #20441
    Anonyme
    Inactif

    Ny Fikambanana TAMIMA, izay mandala ny soatoavina malagasy izay fototry ny fampandrosoana, dia manaiky ny hisian’ny Fankalazana ny Alahamady tokana eto Madagasikara, amin’ ny taona manaraka, araka ny fanirian’ny besinimaro eto Imerina sy manerana an’i Madagasikara.

    Nanomboka nanao fivoarina mikasika izany ny Fikambanana, tamin’ ity volana oktobra 2008 ity, teto Antananarivo, ary mbola hitohy izany.

    Entanina daholo ny tia tanindrazana rehetra mba samy hikaroka sy hanome lanja ny soatoavina maha-malagasy, ao anatin’ ny fifankatiavana, sy firaisankina sy ary fihavànana.

    Ny fanontaniana mipetraka mantsy, izay nodinihina, dia hoe: Inona tokoa ny mety iraisany sy ny mety mampiavaka ny Taom-Baovao, ny Asaramanitra, ny Alahamady ary ny Fandroana?

    Samy ao anaty soatoavina sy kolotsaina malagasy daholo ireo, koa anjaran’ ny malagasy tia tanindrazana no mitady ny valiny mahafa-po ny amin’izany!

    #20443
    Anonyme
    Inactif

    Inona ny problème raha raisina ho ao anatin’ny fianakaviamben’ny andriana ny taranakin’ny silak’hova? satria misy ra andriana ihany ao anatin’izy ireo.
    Raha ohatra kosa aloha ka hentitra ny tenin’Andrianampoinimerina, dia tsy fantatro indray ny momba izay.

    #20447
    Anonyme
    Inactif

    Ry zareo avy ao Lazaina ihany no atao hoe Zanadralambo amin’Andrianjaka satria taranaky ny mpanjaka Andrianjaka ireo t@Radavifo zanak’Andriampanarivomnaga, izay tsy iza fa zanaky Ralambo mpanjaka. Ny ambiny kosa dia Zanadralambo fotsiny noho izy teraky Ralambo (hafa reny)!
    fehiny, midi-droa Lazaina raha @fiarazana : avy àRalambo sy Andrianjaka

    #20449
    Anonyme
    Inactif

    Marina aloa io momba an’ny Lazaina io. Fa ra tsy diso aho, dia Zanadralambo avy @ Andrianjaka koa ny avy ao @ Ambatofotsy Avaradrano.

5 sujets de 206 à 210 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: