Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 256 à 260 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20858
    Anonyme
    Inactif

    Mahavariana ny mijery ny fandehan-javatra any Madagasikara :

    Tena misy HASINA ity Madagasikara ity, fa izay mpitondra manao tsinontsinona ny HASINA any dia midaraboka :

    – Tsiranana (voaongana 1972),
    – Ramanantsoa ( tsy nahazaka fahefana 1975)
    – Ratsimandrava (maty novonoina 1975),
    – Ratsiraka (namono olona 10 Aout 1991, dia niongana 1991),
    – Zafy (Nisy nandoro ny Rova Manjakamiadana, dia niongana 1996),
    – Norbert Ratsirahonana (tsy nahazaka fitondrana 1996),
    – Ratsiraka (voaongana 2002),
    – Ravalomanana (nanao jadona dia niongana 2009)…

    Ny zavatra iraisan’ izy ireo dia TSY NANAJA NY HASINA any Madagasikara!

    Hoy tokoa ny Ohabolana Malagasy hoe:

    Ny TODY tsy misy fa ny ATAO no miverina !

    #20859
    Anonyme
    Inactif

    FAMINANIANA: Hitsangana tsy ho ela ny FANJAKAN’ I MADAGASIKARA,

    Mifototra amin’ ny FANAJANA an’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY:

    « Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela ».

    (Isaia 61:4).

    #20860
    Anonyme
    Inactif

    ECHO DES ASSISES NATIONALES 2009 (Ivato):

    « …D’emblée, j’avoue qu j’ai été particulièrement frappé par plusieurs points, dont la diversité ethnique et régionale des participants, la diversité de leur caste: des nobles qui ont prôné le REGIME MONARCHIQUE sans complexe…, »

    …leur diversité corporative, des civils comme des militaires, des religieux comme des laïcs, leur diversité sociale, leur nombre, plus de mille participants… »

    Extrait du Bi-Hebdo MALAZA, N° 505, du 07-08-09 Avril 2009, Antananarivo.

    Malama.

    #20862
    Anonyme
    Inactif

    Araka ny Valan-dresaka, nataon’ ny solontenan’ ny Ampanjaka sy ny Fikambanan’Andriana maro miray manerana an’ i Madagasikara, tao amin’ ny Televiziona TVM eto Madagasikara, tamin’ny Alakamisy 09 Aprily 2009, izany hoe ao anatin’ ny Volamposa raha ny famaritana ny volana malagasy no jerena,

    dia nanambara ny Mpitondra tenin-dry zareo, Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, fa hanao FIHAONAMBE NY AMPANJAKA SY FIKAMBANAN’ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA, ny ZOMA 01 MEY 2009 amin’ ny 09 Ora maraina, ao amin’ ny La Résidence Ankerana, Antananarivo, Madagasikara.

    Izany andro izany dia hijerena ifotony ny Lalàm-Panorenana Vaovao, hatolotra ny vahoaka malagasy, mifanaraka amin’ ny Soatoavina sy ny Kolotsaina ary ny Foto-Pisainana Malagasy, ary indrindra koa mifanaraka amin’ny Tantaran’ i Madagasikara!

    Araka ny fandinihina ny tantara nataon-dry zareo, ary nohamarinin’ Ny Andriana RABARIOOELINA Ndriana, Mpitondra teny sady Mpitarika izany hetsika izany àry, dia hita mibaribary ankehitriny fa ny soatoavina repoblikana dia soatoavina vahiny, ary tsy mifanaraka velively amin’ ny foto-pisainana malagasy.

    Iaraha-mahalala fa ny soatoavina repoblikana, ary lazaina fa demokratika, no niainana tany Madagasikara mihoatra ny efa-polo taona, kanefa ny vokany dia ny fahantran’ ny sivy folo isan-jaton’ ny malagasy ary ny fivarotana ny tanindrazana amin’ ny vahiny !

    Hiaraha-mahita sy mahafantatra ihany koa fa ny fitopolo isan-jaton’ ny malagasy dia vonona hanaja sy hanome lanja hatrany ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy, indrindra ny any ambanivohitra. Koa rariny sy hitsiny raha Lalàm-Panorenana mifanaraka sy manaja ny Soatoavina Malagasy no hatolotra ho hankatoavin’ ny vahoaka malagasy !

    (Hita tao amin’ ny Vaovao, Televiziona Malagasy TVM, Alakamisy 09 Aprily 2009).

    #20863
    Anonyme
    Inactif

    Lasa izao !

5 sujets de 256 à 260 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: