Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 251 à 255 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20834
    Anonyme
    Inactif

    ok !

    #20838
    Anonyme
    Inactif

    FIHAONAMBE AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA:

    Nivory teny amin’ny La Résidence Ankerana ny taranak’Andriana sy ny Mpanjaka isam-poko ka nanapa-kevitra mba hanantontosa ihany koa Fihaonambe manokana, ho an’ny Fikambanan’Andriana. Tsy mirona na amin’ny atsy na ny aroa fa mijoro ho Ray aman-dreny marina tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny firenena.

    Anisan’ireo Soatoavina mifandraika amin’ny Kolontsaina voatanisa ny fanajana an’Andriamanitra Andriananahary na Zanahary ; ny fandalana ny Fihavanana ; ny fanandratana ny Hasina ; ny fanolokolona ny Firaisankina ; ny fampiharana ny Teny ierana ; ny tsy ivalozana mikasika ny Fiandrianampirenena sy ny hajan’ny Tanindrazana.

    Toa voan’ny tamberintany tokoa i Madagasikara, mifamotitra ny loha sy ny vody, an-driran’antsy ny firaisam-pirenena. Rariny avokoa, ary tsy azo atosi-bohotanana, izay ezaka mikatsaka ny hialana amin’izao kizo politika izao. Misara-bazana ara-bakiteny mantsy izao ny vahoaka. Satria tsy nisy fifidianana dia tsy voaisa aiza ny maro an’isa : ny teo amin’ny 13-Mey nanohitra an-dRavalomanana sa ny etsy Ambohijatovo ifangaroan’ny mpomba an-dRavalomanana sy ny mpiaro ny ara-dalàna.

    Sambany nisy savorovoro politika teto Madagasikara ka nahatsapana ny lanjan’ny « be tsy miteny » na ny « majorité silencieuse ». Raha tany amin’ny firenena tena demokratika, misy gazety sy haino aman-jery mitaiza amin’ny adidy sy andraikitra iainana isan’andro izany filamatra izany, dia ho hafa manokana ny lanjan’ny « betsimiteny ». Saingy, demokrasia mbola marefo moa ny eto amintsika satria na ny teny hoe demokrasia aza dia adikan’ny sasany vilana ka zary midika ho fanaovana izay danin’ny kibo sy fanjakan’i Baroa.

    Fanantenana no antsika fa ireo « betsimiteny » ireo no ho vato fehizoron’ny fanajana ny hevitry ny fifidianana sy ny hasin’ny andrim-panjakana amin’ny sisa manaraka rehetra eto Madagasikara.

    Mitaky fanabeazana izany fiovana toe-tsaina izany. Tsy ireo antoko politika variana mitady seza ireo no ho antenaina amin’izany. Ny fiaraha-monina eto Madagasikara dia mbola mandala ny rafitra nentim-paharazana, ka isan’ireny ny toerana manokana mbola misy ny taranak’ireo Mpanjaka.

    Tsy ho entina hizahozahoana indray anefa izany fa mitaky adidy sy andraikitra. « Aiza indray moa no hidodododo fa ianareo no Raiamandreny » hoy ny valala rehefa miresaka amin’ny taranaky ny tompombodivona. Tsy hoe fanandevozana fotsiny akory ny fiaraha-monina fahizay raha tsy izany tsy hanakoako mandrak’ androany ny anarana toa ny an’ Andrianampoinimerina.

    Nisy ny Andriana tsy vanona, nisy ny Andriana namela mamy. Raha mandray ny andraikitra tandrify azy amin’ny famerenana ny hasin’ny teny hoe « Fihavanana » sy « Fanjakana » fotsiny ireo taranaky ny Andriana dia efa mahatontosa asan-drenin-tantely.

    Tsy ampoizina fa manana adidy amin’ny fanapariahana ifotony ny toe-tsaina repoblikana ny taranaky ny Andriana : fanoherana ny tokam-po tsy ivalozana, fanoherana ny tian-ka hano tsy tian-ka hano ataon’olon-tokana, fanoherana ny jadona. Efa nanana ny demokrasia ny Ntaolo fa ny anarana no tsy nitovy : ny an’ny Mpanjaka hendry taloha dia ny teny ierana sy ny marimaritra iraisana izany demokrasia izany. Ny miarahaba tsy maha andevo, ny arahabaina tsy maha andriana : ny fahalalam-pomba no manesika.

    Chronique de VANF, L’Express de Madagascar, 01 Avril 2009.

    #20844
    Anonyme
    Inactif

    Misaotra amin’ny fanazavana rehetra.

    fa mba mangataka raha mety ny hisian’ny sites gasy maromaro sy consultables, satria betsaka ireo zavatra tsara fantatraz sy tokon’ny fantarin’ny olona aty aoriana.

    Izaho koa alo dia manaiky ny teninao fa mbola ho avy ny tena izy e
    Fa io aloha dia efa ok lool

    #20848
    Anonyme
    Inactif

    Une première à Madagascar durant les Assises Nationales organisées par la société civile, du 02 au 03 Avril 2009, au Centre des Conférences Internationales d’Ivato, Antananarivo:

    1. La majorité des descendants du PA.DESM ont proposé une nouvelle constitution: celle d’une quatrième république, avec la possibilité des métis, des ka.rana, des chinois, des comoriens à se présenter à l’élection présidentielle malagasy! Cela permettra encore davantage le pillage des richesses nationales par les étrangers!

    Mais aussi une amnistie générale pour les détenus politiques et les exilés politiques, condamnés pour des délits d’opinion mais aussi, très grave, aux condamnés politiques pour délit de droit commun, crimes, tortures, détournements de fonds, et destruction de bien de l’Etat et de biens privés !

    2. A l’opposé de cette option, et pour montrer leur vrai patriotisme,
    le FIHAONAMBE des AMPANJAKA, AN.DRIANA, OLOBE, et TANGALAMENA de MADAGASCAR, présenté par Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, ont proposé une Nouvelle Constitution à voter au suffrage universel, et basée sur:

    – le respect des valeurs et la culture malagasy (Sotoavina sy Kolotsaina malagasy),
    – le respect de l’Identité malagasy (seuls les malagasy de père et de mère peuvent se présenter à des élections à Madagascar),
    – le respect du Hasina (sacralité) de chaque citoyen malagasy, qui va de pair avec le respect des droits de l’homme,
    – le respect de la mentalité et la psychologie malagasy (Foto-Pisainana malagasy),
    – la sagesse ancestrale (Fahendrena malagasy),
    – le respect du lien social et de la solidarité malagasy (Fihavànana et du Firaisankina malagasy),
    – le respect de la Terre des ancêtres (Tanindrazana), avec la protection des richesses nationales contre le pillage inimaginable actuel,
    – le respect de l’histoire de Madagascar (Tantaran’ i Madagasikara).

    Ainsi, on ne se souviendra plus de la république démocratique qui a tant appauvri Madagascar et les malagasy pendant plus de quarante années.

    Et le nom de ce NOUVEL ETAT MODERNE sera le FANJAKAN’ i MADAGASIKARA !

    (à suivre)

    #20853
    Anonyme
    Inactif

    aza mikorapaka fa mbol ho vy aho .MTMS

5 sujets de 251 à 255 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: