Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 246 à 250 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20787
    Anonyme
    Inactif

    Mitady valiny ianareo dia homena anareo izany amin’ ny alàlan’ ny fahafantarana ny faminaniana ny Tantaran’i Madagasikara:

    Nanontany an’ ireo mpanolotsaina Antemoro, ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, hoe ahoana ny HO AVIN’ I MADAGASIKARA?

    Dia namaly izy ireo hoe:
    – Aoriana ry Mpanjaka dia hitondra ny lahy (Radama 1),
    – Avy eo ny vavy (Ranavalona I à Ranavalona III),
    – avy eo ny vazaha menasofina (colonisation),
    – Avy eo ny mpanompo (Tsiranana, Ratsiraka, Zafy, Ratsimandrava),
    – Avy eo ny sadasada (Ramanantsoa, Ratsirahonana, Ravalomanana),
    – Dia HIVERINA AMIN’ NY TOMPONY (NY ANDRI-ANA) NY TANY SY NY FANJAKANA, iZAY VAO MILAMINA I MADAGASIKARA !

    Mizotra mankany amin’ izany Làlana izany ny tantaran’i Madagasikara izao!

    #20792
    Anonyme
    Inactif

    fa mba avy aiza hono lery io nefa

    #20793
    Anonyme
    Inactif

    Iza moa i Leiry: raha Andry TGV aloha dia hovalahy tsimiambnoholahy avy ao Ankadikely Ilafy ! Taranaky Rasanjy !

    Fa afaka fotoana tsy ho ela dia ho avy ny Andriana, fa mahareta kely !

    #20825
    Anonyme
    Inactif

    TAOMBAOVAO MALAGASY 2009 tany AMBOHIDRABIBY !

    Nankalazaina tany Ambohidrabiby Hasin’Imerina ny TAOMBAOVAO 2009! Marobe ireo olona namaly ny fanasana izay nalefan’ ny Komity Mpikarakara izany lanonana izany, ary feno olona teo an-tampon’Ambohidrabiby!

    Ny Taombaovao Malagasy tamin’ ity Taona 2009 ity dia nanomboka ny Alakamisy 26 Marsa 2009 tamin’ ny 07 Ora alina teo. Mialoha izany, araka ny fomba malagasy dia atao ny Harendrina amin’ ny alina faran’ ny taona, entina manodidina ny tanàna, ary tehirizina ho tratry ny andro maraina !

    Nandray anjara tamin’ izany fikarakarana izany ny Taranak’Ambohidrabiby, ny Fokontany Ambohidrabiby, ny Trano Koltoraly Malagasy, ny Office Régional du Tourisme Analamanga, ary ny Zandarimariam-Pirenena.

    Ambohidrabiby moa dia iray amin’ireo Tendrombohitra Masina Roambinifolo eto Imerina, satria hiafenan’ ny Mpanjaka Rabiby sy ny Mpanjaka Ralambo!

    Koa notanterahina tamin’izany Taombaovao izany ny fomba malagasy dia:
    – ny misafo rano, mariky ny fidiovana, tahaka ny mpanjaka mandro ho mariky ny fanadiovana ny firenena,
    – ny harendrina, mitondra hazavàna mandroaka ny aizina mandra-maraina,
    – ny famonoana omby,
    – ny manao tatao na mihinana vary tondrahan-tantely sy ronono,
    – ny zara hasina amin’ ny alàlan’ ny fanolorana salohim-bary ho mariky ny firarian-tsoa sy ny fandresena ny mosary,
    – ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho fanamasinana ny fihavànana!

    Nanafàna ny fotoana ihany koa ny hira nentin-drazana, ny vako-drazana, ny dihy marakely fahatsiarovana ny dihin’ ny miaramila, ny vely amponga sy ny ritso-baliha ary ny siokan’ ny sodina! Tao koa ny fampiratina mikasika ny Tantaran’Ambohidrabiby Hasin’Imerina, ny lamba landy, ny tefy tanimanga ary ny zavatra maro mampiavaka an’Ambohidrabiby Hasin’Imerina!

    Tonga namaly ny fanasana ny olona marobe, toa ny Fikambana’ ny Tarakana Andriana Miray Manerana an’Imadagasikara (TAMIMA) izay notarihin’ ny Sekretera Jeneraly Ato Ndriana Rabarioelina, niaraka tamin’ ny Andri-ana avy eto I-me-rina Eni-Toko sy ny manerana ny Nosy (Antakarana, Betsimisaraka, Bezanozano, Antemoro, Mahafaly, Sakalava…).

    Nohamafisina tamin’zany fa ny mampiavaka ny firenena iray dia ny Tany, ny Teny, ny Finoana, ny Fomba amam-panaony ary ny Soatoavina!

    Ary nohamafisina ihany koa fa:
    – Ny fanajàna ny soatoavina malagasy no antoky ny fampandrosoana,
    – Ny soatoavina sy ny fitiava-tanindrazana dia tsy afa-misaraka,
    – Avo lenta ny kolotsaina sy ny soatoavina malagasy,
    – Ny fihavànana no taloha, ny firaisankina no hery, ary ny teny ifampierana dia talohan ‘ny demokrasia dradradradraina amin’zao fotona,
    – Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavànana, ary aleo very fihavànana toy izay ny hasina no tsy hajaina!

    Maro no zava-tsoa voaray tamin’izany fotona izany. Ary mankasitraka sy mankatelina ireo mpikaraka rehetra ary misaotra an’ireo vahiny tonga namaly ny antso !

    Ary nisongadina tao ihany koa ny Tso-drano fanao amin’ ny Taombaovao Malagasy manao hoe:

    « Sambasamba Andriamanitra Andriananahary!
    Samy Arivo ho tratry ny taona mitsingerina indray,
    Tsy hisara-mianakavy,
    Ho ela velona,
    Hitombo saina,
    Ambinim-bola sy harena… » !

    #20833
    Anonyme
    Inactif

    Une Conférence de presse faite par des AMPANJAKA (rois), des ANDRIANA (princes), des CHEFS COUTUMIERS venant de tout Madagascar a eu lieu le lundi 3O Mars 2009 à Antananarivo.

    Face à la crise politique actuelle, les Ampanjaka et les Association des Andriana venant de tout Madagascar, du Nord au Sud, de l’Est à l’Ouest, et aussi du centre, selon Atoa Ndriana Rabarioelina qui a parlé au nom de tous les conférenciers présents, ne peuvent pas être insensibles à la dégénérescence de la vie politique et à la dégradation de la vie sociale qui deviennent très grave dans la Grande Ile, car la vie économique et sociale se dégrade lamentablement et le nombre de morts et de blessés augmente toujours de jour en jour, de part et d’autre des antagonistes, mais aussi parmi la majorité silencieuse.

    L’objet de leur conférence de presse était d’annoncer qu’ils vont organiser un FIHAONAMBE ou Assises Nationales des Ampanjaka, Fikambanan’Andri-ana, et des Chefs Coutumiers venant de tout Madagascar pour résoudre le problème chronique, cyclique, et très grave existant à Madagascar.

    Deuxièmement, ils informent l’opinion publique que la résolution de ce conflit politique passent par le respect et la valorisation du SOATOAVINA (valeurs) et du KOLOTSAINA (culture) MALAGASY. Ainsi, ils ont énumérés les piliers de cette culture malagasy:

    1. Le Respect de ANDRIAMANITRA, ANDRIANANAHARY, ZANAHARY ou Dieu, le Créateur de l’univers.

    2. Le FIHAVANANA ou l’amour, le lien, et la solidarité, aussi bien au niveau familial qu’au niveau social.

    3. Le respect du HASINA ou le sacré, car chaque être humain a son Hasina personnel venant de Dieu et qui doit être respecté.

    4. Le FIRAISANKINA ou la solidarité sur le plan familial, social, régional, qui abouti au Firaisankinam-Pirenena (solidarité nationale).

    5. Le TENY IFAMPIERANA ou l’expression de l’avis de tous les composantes de la nation avant de prendre une décision commune.

    6. Le FIANDRIANAM-PIRENENA ou la souveraineté nationale.

    7. Le respect du TANINDRAZANA ou la terre des ancêtres, car elle n’est pas à vendre ni à désacraliser.

    Soulignons que les Ampanjaka, Andriana, et Chefs Coutumiers de Madagascar sont au-dessus de la mêlée politique, et ils ne soutiennent aucun protagoniste, car ils sont des vrai Raiamandreny (parents) au sein de la nation qui se lèvent pour trouver ensemble des solutions, avec toutes les composantes de la nation, face à ces problèmes politiques, et même aux origines de ces crises politiques.

5 sujets de 246 à 250 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: