Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 311 à 315 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21115
    Anonyme
    Inactif

    Tena mampme ity resak ity satria izao:
    – Jerena ny internet, tetiarana maharara-kivy, eo @ fiaraha-monina anefa tsy andriana, izany andriana izany anie ry reto ka fihavanana e! Iza ny havanao, iza no taminganao, de iza ny vadinao de aiza ianareo no milevina. Raha tsy izany dia il suffit de mahay manoratra dia zanakandriana avokoa. Hoy ilay namako antemoro izay, izay tsy andriana @lisany ao Antananarivo ao no manenina

    -Ity resaka Ranavalona III dia mahatalanjona satria fianakaviana maromaro (olona samihafa) izao no mitonona fa taranany. Iza no milaza marina, ary iza no mpandainga, hisy ho afa-baraka @io resaka io ato ho ato. Amiko aloha dia officiellement tsy manana taranaka Ranavalona III e! Rehefa tsy reconnu officiel, tsy mahazo mandova sata.
    – Efa mazava ny tera-dRasoavero miditra @ Razafinandriamanitra fa Rtoakely Marie Lousie dia hisy hitonona indray fa taranany avy any an-danitra?

    – Ny Mpihavana ho aho mifankahalala foana, t@ ilay fihaonana herintaona lasa izay, dia mifanontany kely, dia mifankahalala avokoa, hay ve zafi-dranona e, zana-dranoana, ry ianona no havanareo avy eny ananona. Tsy misy mihambo ho zanakandriana kanefa tsy nisy nahalala hatrizay. Dia mba hoe mipiripirina ve? Fa angaha misy fihavanana azo afenina izany na dia mipiripirina aza e, fa nanambady an’iza àry hatrizay no tsy fantatry ny olona?

    -Farany, tsy miteny izany hoe izahay tarana-dranona fa iza no rainao, ny reninao, ary ny ray aman-drenin’ny vadinao? Raha tsy izany dia misavika ny anjaran’ny sasany ianao, ny hisisika eo @ seza fiandrianana anie vita ihany fa ny ho folaka an-datony sy ny ho kizo fara no tsy laitra e! Ka tsy tompony tsinona ka!

    Aleo ho an’ny miseho azy ho be saina ny hiakatra eo, fa aleonay manaja tena na dia terak’ifohiloha iringiriny aza izahay. Izay mitetika ny hiainga ambony ihany no hitontona mafy, izahay aloha hitazana e! Misy tompony ny Hasina.
    Ny Antehiroka koa dia zana-dehilahy, zana-dahy no mandova sata, ka ny terak’Andriantsimandafika no tena izy fa tsy izay milaza azy ho be sandry. (vakio ny TA sy ny bokin- dRakotovao)

    Hiady laharana hanala-bara-tena @izany angaha ny sasany aminareo? Mazotoa e! Ny hadalana omaly ihany no mbola misy ta hamerina anio, tsy hay mantsy ny nandray lesona t@ omaly.

    #21117
    Anonyme
    Inactif

    Le resaka zanakandriana koa no tena mampihomehy, ekena ohatra fa zanakandriana ny dadaben’ny dadabeny nefa dia mbola mitonona azy ho zanakandriana izy mianakavy, tsy fantany akory fa rehefa miady haka fanjakana dia atsatsika avokoa izay tsy lany, tahaka ny spermatozoïde e!
    Izany no nialan’ny sasany ho tsy zanakandriana na dia izy aza izy satria mahafaty io.

    Ankehitriny zato aminarivo, sady efa manao mésalliance mbola zanakandriana zanakandriana, ny dikan’izany anie izany hiady an-trano sy hifamono koa izy mianakavy e! Manararaotra ny tsy fahaizan’ny olona tantara na ny tena marina mety tsy mahay n’inon’inona akory.

    Tsotra ny mijery hoe iza no zanakandriana: à une generation miala aminy: ny ray aman-dreniny na ny nenitoany ve mpanjaka à la limite ny grand-parent direct.
    Raha tsy izany dia une centaine de mille ny zanakandriana satria samy taranaka mpanjaka avokoa, izay ilay hoe: mitafy jaky toy ny fodilahimena fa ny seza fiandrianana taho-mangahazo.

    Kotio anie:

    Ny tera-dRasoarandrana hono zanakandriana misy firy izy ireo?
    Dia ny tera-dRamonjamanarivo misy firy koa?
    Dia ny tera-dRaolona koa
    Dia ny Teraky ny anabavin’ilaidama koa:
    Rabodosahondra,
    Ratsimanompo : Ravolana, Ramangamaso …..
    Ratsiadala
    Dia ny terak’Andrianampoinimerina koa: Roapolo mahery ny zanany
    Dia ny tera-dRatsimamanga koa
    Dia ny tera-dRamahatra koa
    Dia ny tera-dRasinoa koa
    Dia ny tera-dRatsimisampy koa @ vadiny maro
    Dia ny tera-dRamboasalama koa
    Dia ny terak’Andrianaivo Razo koa
    Ny tera-dRazanabolamena koa
    Ny tera-dRazafimanantsoa koa
    Mbola tsy voatatantarako avokoa fa mandany andro be.

    Ilana fahendrena ity resaka ity fa manjary mahamenatra.

    #21118
    Anonyme
    Inactif

    tena ilana fahendrena araka ny voalaza tokoa. ny manahirana dia betsaka ny mirehareha ho izao na ho izao nefa ny tanindrazana avela ho lasa tanana haolo. mandreraka be ny mitety ny ambanivohitra merina ankehitriny. ao ny misy aviavy sy hadivory ny tanàna nefa haolo e. fasana sisa mijoro. ny tany sy ny vahoaka nefa no fototry ny fiandrianana. raha tsy natao hifehy vahoaka intsony ankehitriny, maninona raha ny tany no velomina indray. tsy voatery hipetraka any ange na hanao investissement be tahaka ny inona e! atao fotsiny izay hitazonana ny fifandraisana amin’ireo mbola miandry ny tany dia aseho amin’izy ireo ny firaisan-kina sy ny fihavanana dia miainga io. ivereno re ny tany fa aza avela ho haolo e! io no fototra iorenana, niandohana sady iafarana.

    #21119
    Anonyme
    Inactif

    eny tokoa, raha mba misy mahafantra ny taranak’Andriampalimanana avy any Tsirangaina fa zara sisa raha mitsangana ny any. vita irery iany raha ara-bola fa ilay fiaraha-mientan’ny taranaka mihitsy no antenaina. fotoana angamba izao mba hanomezana hasina ny an’Andriampalimanana tahaka ny anaovan’ny taranak’Andriamohara rahalahiny ny azy any Alasora. ny soa hono fianatra!

    #21126
    Anonyme
    Inactif

    Izaho dia taranak’Andriampalimanana
    andrian_aina@yahoo.fr
    ary misy ampahany fantatro ny tantara
    Merci

5 sujets de 311 à 315 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: