MisEranA02
Toutes mes réponses sur les forums
-
AuteurPosts
-
MisEranA02
MembreSalama e!
Ny Andriandoriamanjaka dia ireo zana-dRABEFARAVOLAMANJAKA zana-dRabiby tamin’Andrianamboninolona. Izany hoe zanakandriana izy ireo tamin’ny andron-dRabiby angamba, fa tsy tafiditra intsony tao amin’ny filaharan’ny Andriana merina intsony taty aoriana. Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia ny tera-dRasoherina sy Ralesoka no zanakandriana . Noho izany dia tsy voasokajy anatin’ny zanankandriana izy ireo.MisEranA02
MembreSalama !
Mino aho fa tsy hampisy problème ao @ fianakavianao ilay hoe andriana nanoa. Mety ho problème dia ilay Andriandoriamanjaka, arakaraka ny firazanana misy anareo anefa io. Tsy ao anatin’ny firazanan’andriana 7 mantsy ny Andriandoriamanjaka ka izay no mety ho problème kely. Mino aho fa tsy problème koa io satria ny mamany izay manila andriandoriamanjaka dia efa niarina nananmbady andriamasinavalona asa anefa fa misy sarotiny ny fianakaviana sasany.MisEranA02
MembreSalama e !
Misy milaza fa :
1- Rampananambonintany sy Ramananandrianjaka dia samy niteraka antsona hoe « RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRINA » avy ;
2- ny iray zanak’Andriamasinavalona ny iray anabaviny ;
3- misy Ranavalotsimitoviaminandriana nafenina any Anosimanjaka misy any Ambohitsaina Ankadinandriana atsinanana ;
4- tsy voatana anarana ao amin’ny tetiaran’ny zanadranavalona avy ao Anosimanjaka ny zana-dRanavalotsimitoviaminandriana eny Ankadinandriana atsinanana
….
fa nahoana raha iray ihany ny RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA @ tantaran’ny firenena Merina dia zanaka faravavin’Andriamasinavalona izay nomeny an’Anosimanjaka. -
AuteurPosts
