Andriamasinavalona

5 sujets de 26 à 30 (sur un total de 33)
  • Auteur
    Posts
  • #23095
    MisEranA02
    Membre

    Salama e !
    Misy milaza fa :
    1- Rampananambonintany sy Ramananandrianjaka dia samy niteraka antsona hoe « RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRINA » avy ;
    2- ny iray zanak’Andriamasinavalona ny iray anabaviny ;
    3- misy Ranavalotsimitoviaminandriana nafenina any Anosimanjaka misy any Ambohitsaina Ankadinandriana atsinanana ;
    4- tsy voatana anarana ao amin’ny tetiaran’ny zanadranavalona avy ao Anosimanjaka ny zana-dRanavalotsimitoviaminandriana eny Ankadinandriana atsinanana
    ….
    fa nahoana raha iray ihany ny RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA @ tantaran’ny firenena Merina dia zanaka faravavin’Andriamasinavalona izay nomeny an’Anosimanjaka.

    #23102
    gasy
    Membre

    2 mihitsy ny ranavalotsimitoviaminandriana, ohatra ny ravololondrenitrimo, 1 anabaviny ary ny 1 zanany vavy eo anosimanjaka; jereo tantara ifanongoavana, ambatovory, anjakaidro

    #23160
    Mirija
    Membre

    Miarahaba anareo rehetra!! Liana dia liana tokoa aho mahita an’ity resaka ity. Te hafantatra aho oe iza aminareo no avy any Antsahadinta? Fantatro ny fiaviako fa tiako lalinina tsara ilay resaka andriamasinavalona. Henoko oe misy ny fivoriana ny taranaka antsahadinta fa bola tsy nanatrika izany aho ka ba te hifanerasera amin’izay mpitovy fihaviana amiko aho. Henoko koa oe efa feno tokoa ny fasan’ny lapan’antsahadinta ka misy fikasana ny fanalehibeazana azy ve any ho any? Misaotra

    #23161
    Manoina
    Membre

    Misy ihany ny association toy ny Tamima, Jaky mena, teraky ny trano fohiloha fa tsy fikambanana fianakaviana fa otran’ny hoe representation mihintsy.

    Matetika ny zz sy a/navalona manana fikambanana hoan’ny fianakaviana fa tsy itambarambe amin-ny zz sy a/navalona rehetra. Ohatra Terak’i Rasoarandrana, Terak’i Ravoninoro, SIAM…

    De toutes façons ireo castes roa ireo mifampidipitra be tsy misy fiafarany. Mpihavana daholo ihany zany izy tany am-piandohana sy taty aorina par le biais des alliances.

    Fa hoan-ny zz manokana izay nifandimby teo amin-ny fanjakana dia tsy maintsy nisy ihany ny rivalité satria raha nahalasa mpanjaka ny branche iray dia nisy branches maromaro voailika zany tao… Ary nisy mihintsy aza ny fandatsahan-aina rehefa miova ny mpanjaka.

    Ohatra azo raisina ihany koa hoe iza no nanondro tamin-ny vazaha hoe i Ratsimamanga vonoina… Iza no mety mahavaly an’io?

    #23178
    mpandalo
    Membre

    Ohatra azo raisina ihany koa hoe iza no nanondro tamin-ny vazaha hoe i Ratsimamanga vonoina… Iza no mety mahavaly an’io?

    Raha tsy nalainy ny vadiny, asa, mety tsy nanao vali-faty izy ?

5 sujets de 26 à 30 (sur un total de 33)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: