Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 151 à 155 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20212
    Anonyme
    Inactif

    Nanao lanonana goavana ny FIKAMBANANA ANDRIANA ZANADRALAMBO tao MANANDRIANA-AVARADRANO tamin’ ny 26 Jiona 2008 teny an-tanindrazana. Fetim-pianakaviana izay nahatongavan’ ny taranaka maro, an’arivony !

    Nisy Fotoam-pivavahana fanokafana, ary avy eo nisy ny Kabary nifandimbiasana, mikasika ny Tantaran’Andriana Zanadralambo, indrindra ny avy ao Manandriana. Ary nisy avy eo ny hira vakodrazana, izay nataon’ ny tropy Voninavoko. Tao koa ny Tolon’omby izay fanao’ ny terak’I Manadriana-Avaradrano!

    Ary nisy omby efatra amibiny folo no novonoina tamin’izany, ho mariky ny fihavànana. Hetsika goavana dia goavana no nataon’ ny Teraka Zanadralambo tao Manandriana androany!

    Mahavelombolo ny mahita ny Andriana Zanadralambo Terak’i Manandriana tsy manadino ny firaisankina, ny soatoavina, ary ny fifankatiavana toy izao!

    #20213

    Sarasara!

    Arahabaina izany ianareo Andriana Zanadralambo nahavita tahaka izany!

    Fanajàna sy fikolokoloina ny Lova sy Hasin-dRazana: any ihany no loharano hamelombelomana ara-panahy ny TanindRazana!

    Na tiana na tsy tiana dia manana adidy ny Andriana rehetra satria ny Fiandrianana no Fanahy fototra maha-izy azy ny Firenena iray.

    Ary na tsapany na tsy tsapan’ny Vahoaka dia miANDRY sy miantehatra amintsika Andriana izy ireo eo amin’ny lalam-pampivoarana an’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra!

    Anatra hoan’ny Andriana rehetra ny toa izao ataonareo izao koa dia mampita ny fiarahabana sy fankatoavana e!
    Maromaroa ny tahaka izao.

    Samy hotahian-Janahary sy ny Razana.

    #20214
    Anonyme
    Inactif

    Fahasalamana daholo e.
    Aza adino fa tsy ampy io hoe zanadralabo io satria maro mantsy ny zanadralambo, fa ny ao :
    – Manadriana
    – Ambohitratenaina
    – Ambatofotsy Avaradrano
    – Lazaina

    Ireo no atao hoe Zanadralambo avy amin’Andrianjaka. Ny avy amin’ireo faritra ioreo ihany izany no atao hoe zanadralambo avy @ Andrianjaka.
    Ny mahasamihafa ny zanadralambo avy @Andrianjaka mihoatra ny zanadralambo hafa dia hivoaka tsy ho ela @ny boky mirakitra ny tantanran’ny zanadralabmo avy @Andrianjaka.

    #20215
    Anonyme
    Inactif

    ataovy ao izay mety e… fomba mantsy ny maneni-dresy, tena kilalao mahafinaritra io, dia ezaho tsy ho fanenjiky ny olona ny andriana
    ny olana mantsy tsy dia hita loatra ny mampiavka ny andriana amin’ny olon-drehetra… tsy mbola nisy asa nanaton’ny andriana ka tsy vitan’ny hafa

    #20217
    Anonyme
    Inactif

    Ny mahasamihafa ny zanadralambo avy @Andrianjaka mihoatra ny zanadralambo hafa dia hivoaka tsy ho ela @ny boky mirakitra ny tantanran’ny zanadralabmo avy @Andrianjaka.

    Iza k’hay no manoratra an’izany boky lazainao izany, ary rahoviana izy io no antenaina fa hivoaka?

    Mandra-pa… anefa dia mba azonao fintinina indraimbava ve ny maha samihafa azy ireo, ankoatra ny Vohitra, fa tena liana tokoa ny tenako?

    Misaotra indrindra!

5 sujets de 151 à 155 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: