ELI

Toutes mes réponses sur les forums

4 sujets de 1 à 4 (sur un total de 4)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : famadihana #22627
    ELI
    Membre

    Teboka valo no indro entiko hamaliana ity famadihana na famonosan-damba ny taolambalo ity:
    1. Taolana valo no mandrafitra ny taolan’ny olombelona dia : ny karandoha, ny taolan-tratra na ny taolam-panavy, ny hazon-damosina, ny taola-maoja, ny tànana roa, ny tongotra roa. Nahasaro-piaro ny ntaolo malagasy izany hoe « very taolam-balo izany na koa hoe tsy hita faty » ; ka izany no antony voalohany indrindra nanaovany ny famadihana mba tsy hiparitaka ireo taolam-balo ireo.
    2. Napetraky ny ntaolo malagasy eo amin’ny laharana fahatelon’ny rafitra an-tanantohatra ny razana, izany hoe ao ambanin’Andriamanitra sy ny Zanahary ary ninoany fa rehefa lasan-ko razana ny olona dia mitombo hamasinana satria manjary fanahy ka afaka mitsinjo sy mitahy ny taranany sy ny fianakaviana izay nilaozany, ary isan’ny tsy afaka am-bavany ny hoe « hotahian’Andriamanitra sy ny razana. Koa ho fangataham-pitahiana no antony faharoa nanaovany ny famadihana;
    3. Natao hamondronana ny herin’ny fianakaviana sy anehoana fifankatiavana sy firaisan-kina ombam-pifankatiavana.
    4. Natao hifankahafantaran’ny mpianakavy izay efa samy mieli-patrana any am-pilàna ravinahitra rehetra any; satria ny tsy fisian’ny fihaonambe tahaka itony no mety hisian’ilay hoe « mivady mpihavana ».
    5. Natao hifampandroson’ny samy malagasy, satria raha dinihina dia tsy misy vola mivoaka any ivelany ny fitaovana sy ny hoenti-manana ny famadihana. Oh: ny omby izay vonoina, ny tsihy, ny malabary sy ny fanamiana ampiasaina, ny sodina sy ny aponga (=ny zava-maneno), ny vary be menaka, ny satroka, ny lambamena, ny toaka gasy dia samy avy eto Madagasikara avokoa saingy miala avy atsy amin-dRakoto dia mifindra any am-paosin-dRabe.
    6. Diso isika raha lafiny toe-karena no resahina ka hanilika ny famadihana fa hanome lanja ny alim-pandihizana ohatra; satria andeha hotanisaina ny kojakoja miasa ao: ny zava-maneno dia vita vahiny mandeha amin’ny herin’aratra, ny zava-pisotro dia toaka vahiny whisky sy champagne, ny tsakitsaky sy ny gâteau dia avy amin’ny varim-bazaha « blé =la farine », ny fitafiana hoenti-mianjaika ao dia lamba vahiny,… izany hoe vola mivoaka mankany ivelany izany fa tsy miditra « importé » avokoa.
    7. Rehefa niditra moa ny fivavahana dia naratsiana sy najanon’ny maro ny famadihana, ka tsy ilay kanto sy kolo tsara ao anatiny no asongadina fa ny lafy ratsiny fotsiny ihany dia ny hoe « tsy mitahy izany ny razana ».
    8. Azo atao amin’ny endrika ankehitriny ny famadihana ka ilay lafy tsara no asongadina dia fifankatiavana, firaisan-kina ary fihavanana, fa tsy asiana taratry ny fivavahana amin’ny razana mihitsy. Kanefa moa ve tsy fivavahana amin’ny razana no ataon’ny katolika izay malaza mpitanisa ireo anaran’olona efa nodimandry lazaina ho olomasina. Sa rehefa razam-bazaha dia afaka mitahy ka hoe « mivavaha ho anay, ankehitriny ka mandrapahatongan’ny andro ahafatesanay »; fa rehefa razana gasy kosa dia tsy misy hasiny sy tsy mitahy? Fa inona no mahasamihafa an’i Maria renin’i Jesosy sy Victoire Rasoamanarivo izay samy vehivavy ary samy efa lasan-ko razana, ka tokony samy hitahy ihany koa.

    en réponse à : ary ahoana indray ny amin'ity fampirafesana ity eh #22623
    ELI
    Membre

    Zavatra roa loha ihany no fototry ny fampirafesana dia ny hiran-dRatary V sy F:
    – Be rendrarendra sy mpanenji-damaody ramatoa dia tsy ampy azy ny vola omen-drangahy ka ny miodina sy ny fampirafesana no fika mba hitany.
    – Tsy ampy ihany koa ny fitiavana omen-dramatoa (tambitamby, safosafo, orokoroka, firaisana ara-nofo); dia mitady izany any amin’ny hafa rangahy.
    Ny ankoatr’ireo dia fitiavana hanao hadalàna na aretina raiki-tapisaka tsotra izao izay midika ho fijangajangana.

    en réponse à : Ahoana kay ny fahitanareo an-dRavalomanana #22620
    ELI
    Membre

    Tsy dia tena ratsy loatra ny nataon-dra8 saingy heveriny ho tahaka ny mitondra orinasa ihany no fitondra fitondra firenena. Ny orinasa mantsy dia ilàna fahaiza-mitantana ; fa raha firenena kosa dia tsy maintsy ampiana fahaizana manao politika ny fahaiza-mitantana (Gestion), omban’ny fahaiza-mitondra (Management) ary indrindra ny fahaiza-mitarika (Leadership). Ny Leadership izay mba tonontononony matetika amin’ny kabariny fa tsy hainy natao pratique.
    Fa ny mpitondra ihany koa dia tsy mahazo misabaka e! Rehefa mivavaka dia tena ataovy amin’ny fo, fa momba anao sy ny vahoakanao Andriamanitra, fa raha mivavaka sadasada ianao ka mampifandrafy an’Andriamanitra amin’ny sampy dia Izy ihany no mampiasa ny vahoakany hanaisotra anao eo. Tahaka izany no nihatra tamin’ireo mpanjaka nifandimby tany Isiraely.
    Ny fiverenany aloha dia sarotra inoana, saingy ny zava-bitany koa tsy azo adinoina.

    en réponse à : la réincarnation…..???? #22617
    ELI
    Membre

    Misy réincarnation mazava be anaty Baiboly saingy hodian’ny kristiana tsy fantatra. Fa ny fanahin’Elia ilay tany amin’ny testamenta taloha no naiditra indray tao anatin’i Jean Baptiste, ary Kristy no nanazava azy, fa hoy Izy: « Jaona no ilay Elia izay ho avy » (Jereo MAL.3:23 dia ampitahao amin’ny Mat.11:13-14). Tsarovy fa niakatra velona tany an-danitra Elia, fa tsy nidina mivantana avy any akory izy fa tsy maintsy naterak’Elisabeth, dia toy izany koa Kristy raha nilaza fa nidina avy tany an-danitra Jao.6, fa tsy maintsy naterak’i Maria. Dia mbola misy diso fihevitra tahaka ny jiosy fahiny izay niandry ny fidinany avy any an-danitra ihany ve ny kristiana ankehitriny, raha mitanisa ny Ap.1:7 hoe: « Indro Izy ho avy amin’ny rahon’ny lanitra? » Aoka hisaina izay mamaky Baiboly fa sarin-teny mifono fanoharana ny 90%n’io.

4 sujets de 1 à 4 (sur un total de 4)
error: