tany

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 39)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra #22381
    tany
    Membre

    Lehilahy i Rafondrazaka fa tsy vehivavy velively, ary zanak’i Andriantsimitoviaminandriandrazaka, izay nanjaka teo Ambohimanga.
    Zafikelin’i Andriamasinavalona sy Ratompoindroandriana izy io.

    Tsy nandova fanjakana kosa izy anefa satria nanaja ny hafatr’i Kakibe ny rainy , ka i Rakotomavo ( Andriambelomasina) , zana-dRangorinimerina no nandimby toerana an’Andiantsimitoviaminandriandrazaka .Jereo fa voarakitra ao anatin’ ny boky nosoratan’i Simon Ayache io tantara io.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22373
    tany
    Membre

    maty Radama I d novonoina daholo ny fainakaviny zay atahorana fa andimby azy tao anatin zany Raketaka.

    Tsy maty izany i Ketaka.

    Ampiako anarana iray izay voalazan’ny boky fa nampamonoin’i Mavo nefa tsy nisy an’izany akory : Razafintaolo.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22287
    tany
    Membre

    ny problématique goavana ko zao de hoe: raha iverina ny fitondran’ny Mpanjaka eto madagasikara, izay efa ilofosan’ny andriana merina amin’izao fotoana izao, iza ary no hanjaka? ny andriana merina, sa sakalava, sa betsileo, sns…raha ny andriana merina no hanjaka, tsy hanaiky an’izany velively ny andriana hafa .

    Aza alefa lavitra loatra ny eritreritrao ry Zafimanjaka satria dia misy tokoa ny andriamben’Imerina misy rà iraisana amin’ireo Havany any
    anindrana ary dia mifankalala sy mifandray tsara tokoa izy ireo.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22167
    tany
    Membre

    Miarahaba anao ry Ampandrana.
    Mba vakio tsara ny vosoratra e…Tsy mbola nilaza aho fa tsy azo soloina ny tranomanara nirodana….
    Io tranomanara voalazako etsy ambony etsy dia MIKASIKA ilay tranomanaran’ ilay sakaizan’ Nampoina……Hova izy io…namana akaiky dia akaiky an-dRalesoka .
    Anisan’ny vehivavy tian’Nampoina izy io ary fangalan’izy mianadahy toro hevitra.
    Maty izy…najain’Nampoina @ tranomanara… Nanafatra anefa i Nampoina fa tsy azo soloina intsony io tranomanara io rehefa mirodana.

    Ny eny an-drova indray dia aleo i Mpirery no hamaly azy

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22165
    tany
    Membre

    dia manaraka moa ireo izay nomen’Andrianampoinimerina taty aoriana, anisan’izany ilay sipany hovavavy iray.

    io tranomanara io dia TSY AZO soloina intsony rehefa nirodana.

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 39)
error: