RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 56)
  • Auteur
    Posts
  • #17341
    Anonyme
    Inactif

    Misy tena mahay ny tantaran’izy io ve?
    Misy milaza mantsy fa Princesse izy io fa tsy Prince araka ny voalazan’ny tantara ary niaraka t@ Andrianampoinimerina ka niteraka…….jusqu’au raombana sy rahaniraka….
    Misaotra mamaly. bibliographie raha misy manana an’io trace io.
    Haiko ny tantara voalohany izany hoe:
    Andriantsimitoviaminandriana -Rafondrazaka-Andriambao-Andrianavalona-Rahaniraka sy Raombana….
    Fa ilay olona mihizingizina amiko fa itsy ambony no marina dia mba hitadiavako temoignage eto raha misy efa naheno an’io.

    #22380
    Anonyme
    Inactif

    Izy io mazava be io, Andriambelomasina no mpandimby an’Andriatsimitoviaminandriana, contemporain izy sy Rafondrazaka. Niteraka t@olona mitovy génération (vehivavy en plus) @ dadabeny ve Andrianampoinimerina

    #22381
    tany
    Membre

    Lehilahy i Rafondrazaka fa tsy vehivavy velively, ary zanak’i Andriantsimitoviaminandriandrazaka, izay nanjaka teo Ambohimanga.
    Zafikelin’i Andriamasinavalona sy Ratompoindroandriana izy io.

    Tsy nandova fanjakana kosa izy anefa satria nanaja ny hafatr’i Kakibe ny rainy , ka i Rakotomavo ( Andriambelomasina) , zana-dRangorinimerina no nandimby toerana an’Andiantsimitoviaminandriandrazaka .Jereo fa voarakitra ao anatin’ ny boky nosoratan’i Simon Ayache io tantara io.

    #22384
    Anonyme
    Inactif

    Mba tena misy manitatra mihintsy eto an. Mampahatsiaro ahy ilay pseudo « andriana » tamin’ny taona lasa teto.
    Ny taranany izao mihintsy ve no mitantara ny tantaran-drazany, dia mbola hisy ihany ny hitena fa vehivavy ? Izy ity ange tsy foromporonina fotsiny e.

    Oadray marina, Rafondrazaka sy Rakotomavo no niara-nihira, nefa Nampoina dia zafikelin’ Andriambelomasina. Asa aloha, na vehivay aza, tena mbola tsy naheno kosa aho hoe niaraka tamin’ny anti-bavy Andrianampoinimerina.

    #22385
    Anonyme
    Inactif

    Misaotra anareo namaly ary zà koa d’accord amin’ireo lazainareo ireo. marina ireo. Mitohy ny ady hevitra raha misy liana ary isaorana mialoha. Manao recherche lalindalina mikasika an’io Rafondrazaka io mantsy aho.
    Misy doc hitako, olona (efa maty) membre ao @ academie malgache izy io, milaza fa:
    Teraka Andriamasinavalona avy amin’ny Tsimiamboholahy dia:
    Taranak’i Rafondrazaka avy ao Anosy.
    Mety misy mahay an’io ve? inona no dikan’io?
    Raha araka ny hitako mantsy dia Nomen drainy menakely ao Anosy Avaratra izy io rehefa tsy nomeny règne.
    Inona no antony mazava tena tsy nanomezany règne azy nefa tena zanany lahy? respect hafatr’i Ikaky? inona ilay hafatra?
    Azafady re manelingelina anareo. Merci

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 56)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: