RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 56)
  • Auteur
    Posts
  • #22386
    Anonyme
    Inactif

    Ka tsy tena efa mazava tsara ve ny fanazavan’i Raombana ny razany e? ka iza indray no mahay io noho izy?
    Boky histoire Raombana tome 1 sy 2

    #22388
    Anonyme
    Inactif

    Mba tsy mamaky kosa i Kaloy. Io mivandravandra nosoratan’i Tany io ny valiny :

    Tsy nandova fanjakana kosa izy anefa satria nanaja ny hafatr’i Kakibe ny rainy , ka i Rakotomavo ( Andriambelomasina) , zana-dRangorinimerina no nandimby toerana an’Andiantsimitoviaminandriandrazaka .

    Andriamasinavalona ny ao Anosy, satria izay no laharana nametrahan’ny mpanjaka azy. Tafiditra ao amin’ny valiny ao ambony io koa ny antony. Ny sasany aty aoriana mijoro ho zanakandriana satria fianakaviana nanao alliance akaikin’ny mpanjaka foana io fianakaviana io. Fa ny ao Anosy dia mijoro tsara amin’ny maha-Andriamasinavalona azy ireo.

    Ao amin’ny fanotanianao io koa ny valiny :

    Raha araka ny hitako mantsy dia Nomen drainy menakely ao Anosy Avaratra izy io rehefa tsy nomeny règne

    Ny andriamasinavalona ihany no mahazo menakely, ary izy ireo tsy mahazo règne araka ny teneninao.

    Tsy aleonao ve aloha mianakanatra ny tantaran’ny andriana amin’ny ankapobehany, izay vao mandalina ny momba an’i Rafondrazaka ?

    #22389
    Anonyme
    Inactif

    « 
    Tsy aleonao ve aloha mianakanatra ny tantaran’ny andriana amin’ny ankapobehany, izay vao mandalina ny momba an’i Rafondrazaka ? »

    Merci – Mila mianatra marina – Tena mamaky tokoa aho fa tena fanina. Miaka-midina mamaky azy (Tantara ny Andriana – Callet edition 1878 -teny gasy sarotra).
    Rafondrazaka indray ahoana? iza? zanak’iza?

    #22390
    Anonyme
    Inactif

    Mety izaho no tsy mahay mametraka fanontaniana.
    Raha ny voalazan’i P callet dia tsy niteraka i Andriantsimitoviaminandriana ka izay no nananganany an’i Rakotomavo zanaka anabaviny (Rangorinimerina) handimby azy.
    Ka avy aiza indray Rafondrazaka????

    Raha ny interpretation-ko dia mety nisy ANTONY GOAVANA tao matoa tsy nomena fanjakana Rafondrazaka na dia hoe zanany aza.

    #22391
    Anonyme
    Inactif

    Mba avadiko kely indray ary ny fanontaniana e. Fa maninona moa ry Kaloy no tena mahaliana anao toy izao ny mombamomban’i Rafondrazaka ?

    Tsy aleo ve mamaky ny tantara nosorantan-dRaombana taranany toa izay miankina amin’ny tantara nangon’ i Callet raha mikasika ny ao Anosy Avaratra ?
    Asa aloha e.

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 56)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: