RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

5 sujets de 51 à 55 (sur un total de 56)
  • Auteur
    Posts
  • #22447
    Anonyme
    Inactif

    Tsaravoninahitra>>> hitako ilay lien aviavy. Dia ahoana indray ilay filazan’i P Callet (Tantara ny andriana) fa tsy niteraka i Andriantsimitovy ka izay no nakany an’i Rakotomavo zanakanabaviny (Rangorinimerina ) handimby azy?? Iza no marina? P Callet sa io These de doctorat io??

    #22455
    Anonyme
    Inactif

    Betsaka ny source. Ny an’i Père Callet ve no tokony ho inoina ? Vao haingana aho no namerina namaky ny ireo manuscrit efa ny nanao « edition ». Fa tena mazava tsara ao amin’ny taratasy nosoratan’i Rasedison ny vady sy ny zanaka nateraky Andriatsimitoviaminandriana.

    #22456
    Anonyme
    Inactif

    Tsara va tompoko o!

    Mahagaga aho izany mamadika ny tantaran-drazanay izany……… Ikakibe Rafondrazaka, tompoko, dia zanaky ny Manjaka Andriatsimitoviaminandriandrazaka tao Ambohimanga. Tsy nandova ny fanjakana izy fa kosa nomen’ny rainy Menakely teny Anosimiarinimerina izay anosiavaratra ankehitriny….

    Ary ahitsiko kely ianareo fa LEHILAHY izy io ary ANDRIAMASINAVALONA no satany sy izahay taranaky Anosy rehetra……

    Hova hoy ianareo ny renibeanay, renin’i Rafondrazaka???? anay izany fa tsy anareo…. Matoa izahay manana ny maha-izy anay hatramin’ny faha-mpanjaka dia fantatry ny Manjaka nifandimby teto Imerina fa Andriamasinavalina ny fiandriananay…..

    Mankasitraka tompoko ary aoka tsy ho taritina lavitra ity resaka momba ny razanay ity fa raha te-hahalala zavatra fanampiny ianareo dia betsaka izahay no taranany ary afaka hanantonianareo….

    Soava Tsara ary Trarantitra aza marofy avy tompoko!

    #22457
    Anonyme
    Inactif

    Tsarava tompoko ny anosimanenimerina
    Marina tokoa izany fa ianareo no tompony ka tsy hitompo tena fatratra ny mpiavy. Izay indrindra mantsy no tsy mazava, hoe avy aiza marina ny renin’i Rafondrazaka, ary maninona ianareo no Andriamasinavalona.
    Ny fahalalako azy mantsy dia zazamarolahy ny sata entin’Ndrafondrazaka, nefa efa nazavainao eto izany fa Andriamasinavalona izy. afaka omenao ve ny anaran’ny reniny ary aiza izy no nafenina?
    soava tsara tompoko

    #22460
    Anonyme
    Inactif

    Tsy Anosimiaranimerina aho, fa namana fotsiny. Ka aleo izy ireo no hiteny raha mazoto hiteny ny anarandrenibeny. Nefa efa mazava kosa angamba ny valiny. Anay izany fa tsy anareo hoy izy ireo. Ary ny mety maha-Zazamarolahy azy na maha-Andriamasinavalona azy ireo, dia azy ireo izany. Tsy ampiova firy ny toerana ambony nomen’ny mpanjaka azy ireo hatrizay hatrizay ny resaka eto amin’ny forum.

    Trarantitra aza marofy koa e.

5 sujets de 51 à 55 (sur un total de 56)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: