RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

5 sujets de 11 à 15 (sur un total de 56)
  • Auteur
    Posts
  • #22392
    Anonyme
    Inactif

    Angatahaka kely ilay invité(e) mba manisy pseudo fa tsy araka tsony ilay izy.

    #22393
    Anonyme
    Inactif

    Marina ny anao. Hovakiako tokoa ny an’i Raombana. Ilaina anefa ny mampitaha boky maromaro hanaovana recoupement. Raombana mantsy manana tendance manatsara ny azy (normal) ka ilaina ny mamaky ny hafa. Exemple: usurpation hoy izy no niakaran’Andrianampoinimerina. Mety marina ny azy nefa zà toa tsy d’accord @ izany.
    Tena mba ilaiko io Rafondrazaka io fa be ny mamoromporona tantara rehefa mety aminy ilay izy. Exemple nolazaiko tetsy ambony ary namoronako ity sujet ity dia mihizingizina mihintsy ilay olona niresaka tamiko fa Anosy avaratra dia taranak’i Andrianampoinimerina sy princesse Rafondrazaka izay fantatro fa diso tanteraka ka hitadiavako porofo mazava hoe iza marina izy io

    #22398
    tany
    Membre

    Izany « Princesse Rafondrazaka » izany aloha, dia adinoy masin’andro anio.
    I Razanakombana no nanambady ny zafiafin’Nampoina .

    #22399
    Anonyme
    Inactif

    Ianareo moa izany ry kaloy Andriamamilaza? sa inona?
    Misy fanontaniana kely fotsiny hoe marina fa mitonona andriamasinavalona ry voalavo sy ry totozyn’i Anosinimanenimerina fa gaga aho hoe fa angaha moa Rafondrazaka raha very fanjakana dia tsy ho zazamarolahy intsony? tsy Zanakandriana ekeko, fa maninona no tena nilatsaka be toa izany? ry Ravaozokiny sy ny Rahalahy sy anabavindradama moa angaha lasa andriamasinavalona rehefa tsy nanjaka. Raha ny momba an’i andriambonimena dia ekeko fa mazava zarany aza tsy maty ka naleony andriamasinavalona.

    #22400
    Anonyme
    Inactif

    Tsy ny maha andriamasinavalona na zanakandriana …an’i Rafondrazaka no nanontaniako fa ilay tena origine.
    Raha zanak’ Andriantsimitoviaminandriana i Rafondrazaka dia zanany tamin’iza? Izay ilay tena fanontaniana ange azafady fa lasa hors sujet indray avy eo

5 sujets de 11 à 15 (sur un total de 56)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: