Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 271 à 275 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20903
    Anonyme
    Inactif

    Koa tokony hijoro izay tokony hijoro rehetra !

    #20904
    Anonyme
    Inactif

    Taranak’Andriana : « Ilaina ny firaisan-kina ! » hoy ny « Tamima »:

    « Misy ny fotoana hanginana ary misy ny hitenenana ! », hoy Andriamatoa Ralitera Etienne, Filohan’ny TAMIMA na « Taranak’Andriana miray eto Madagasikara » nandritra ny fivoriam-pianakaviana tamin’ny zoma voalohan’ny volana mey teo tao amin’ny « La Résidence »-Ankerana.

    La Gazette de la Grande Ile, Mey 2009

    #20905
    Anonyme
    Inactif

    Nahafinaritra tokoa ny Fihaonan’ ny FIKAMBANANA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA sy ny Vahoakan’Ambohimanga-Rova androany alakamisy 21 Mey 2009.

    Andro iray lehibe eo amin’ny tantaran’ ny firenena ny andro androany satria tonga nanamafy indray ny FIHAVANANA sy ny FIRAISANKINA, eo amin’ ny ANDRIANA sy ny VAHOAKA, ny solontenan’ ny Andriana maro manerana ny Nosy: Ny Andriantompokoindrindra, Ny Andrianamboninolona, Ny Andriandranando, Ny Zanadralambo, Ny Terak’Andrianampoinimerina, Ny Fianakavian’ ny Mpanjaka Ranavalona I sy Ranavalona II, Ny Andriamasinavalona, Ny Zazamarolahy, ny Andriana avy any Imamo-Manankasina, Ny Marolahin’Andriamary, Ny Andriana avy any Ivakinankaratra…

    Nisy solontena Andriana maro, avy amin’ Imerina Eni-Toko sy avy amin’ ny lafivalon’ ny Nosy, tonga nanatrika izany lanonana izany.

    Nandefa hafatra manokana ihany koa ny Mpanjaka Issa Tsimiaro III avy any Ambilobe, naneho ny firaisana am-po sy ny firaisan-tsaina amin’ ireto tena Andriana nanao lanonam-pianakaviana teny Ambohimanga ireto.

    Nanafàna ny fotoana ny vakodrazana sy ny mozika nenti-drazana nataon’ ny mpiangaly izany tao amin’ ny faritra Ambohimanga-Rova. ary tena nahafinaritra tokoa !

    Nisy ny fanazavàna ny Tetiarana sy ny Tantaran’ireo Loharano nipoiran’ ireo mpanjaka nanjaka tao amin’ ny Rovan’Ambohimanga, nanomboka tamin’ ny Mpanjaka Andriantomara ka hatramin’ ny Mpanjaka Andriamamilazabe izay nandovàna ny Tranomasina sy ny Tranomanara.

    Nohazavaina ihany koa ny Tetiarana sy ny Tantara mikasika ny Loharano nipoirana avy amin’ny Mpanjaka Andrianerinerina ka hatramin’ ny Mpanjaka Andriamasinavalona.

    Avy eo dia nitsidika ny Lapa ao amin’ ny Rova-Ambohimanga ny Taranaka Mpanjaka dia nanolotra omby telo ho an’ ny vahoakan’Ambohimanga-Rova, ho fanamarihina izany FIHAVANANA sy FIRAISANKINA izany !

    Ohatra mivaingana eo amin’ ny Fanajàna sy ny fanomezan-danja ny Soatoavina sy ny Kolotsaina malagasy ny zavatra nataon’ireo Andriana sy Vahoaka ireo, ary ntena nanome ohatra tsara ho an’ ny malagasy rehetra !

    Farany sady lehibe indrindra: Izany rehetra izany dia natao ho Voninahitr’Andriamanitra Andriananahary irery ihany !

    #20907
    Anonyme
    Inactif

    CEREMONIE TRADITIONNELLE AU PALAIS D’AMBOHIMANGA :

    Une cérémonie traditionnelle d’obédience aristocratique s’est déroulée dans l’enceinte sacrée du Rova d’Ambohimanga, la capitale du royaume de l’Avaradrano au 18ème siècle, située à 20 km au Nord de la capitale de Madagascar, le jeudi 21 mai 2009 dernier.

    Cette date est mémorable dans l’histoire de Madagascar car les descendants des rois de l’Imerina et de Madagascar sont venus pour raffermir les liens sociaux (Fihavànana) et la solidarité (Firaisankina) avec le peuple, liens sociaux qui ont déjà existé depuis l’époque royale.

    La Fédération des Descendants des Rois de Madagascar ou Fikambanana Taranaka Andriana eto Madagasikara (TAMIMA) était venue en forte délégation. Elle était composée de représentants des associations princières suivantes : Ny Andriantompokoindrindra, Ny Andrianamboninolona, Ny Andriandranando, Ny Zanadralambo, Famille des descendants du Roi Andrianampoinimerina, Familles proches de la Reine
    Ranavalona I et de la Reine Ranavalona II, Ny
    Andriamasinavalona, Ny Zazamarolahy, les Andriana de l’Imamo, les
    Marolahin’Andriamary, les Andriana du royaume de l’Ivakinankaratra, mais aussi des représentants des familles royales de toute l’Ile de Madagascar.

    Parmi ces descendants directs des rois, Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, descendant direct de l’Aîné de la famille royale, a inauguré la série de discours ou Kabary. Après, Ny Andriana RATRIMOARIVONY Georges a parlé au nom des descendants des familles royales du Royaume de l’Imerina. Puis, Ny Andriana RALITERA Etienne a fait un discours au nom des familles royales venant de tout Madagascar. Leurs discours étaient tous axés sur la solidité des liens sociaux et la solidarité, entre la famille royale et le peuple, et existant déjà depuis des plusieurs siècles jusqu’à nos jours.

    Des musiciens et danseurs traditionnels ont animé cette journée récréative. Puis, les descendants des familles royales ont visité le Palais d’Ambohimanga, qui est classé dans le patrimoine mondial de l’humanité. Après cela, le représentant des familles royales ont béni la population.

    Enfin, les descendants des familles royales de l’Imerina et de Madagascar ont offert trois zébus à la population du village royal et sacré d’Ambohimanga-Rova, en guise de solidarité.

    Cela constitue un très bon exemple de bonne entente et de solidarité entre les descendants des souverains et le Vahoaka (le peuple), en ce début de ce Troisième Millénaire.

    #20909
    Anonyme
    Inactif

    Il est heureux que des princes et rois malgaches comme Sa Majesté Tsimiaro III se fasse connaître de la population et qu’ils sortent de l’anonymat. Ils snt les grants de la continuité historique et culturel de notre Nation. De part leur fonction (ils ne courrent pas après es honneurs puisqu’ils les ont) ils sont aptent à arbitrer et apporter conseils et sagesses aux politiciens.

5 sujets de 271 à 275 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: