andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 111 à 115 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #20950
    Anonyme
    Inactif

    Faly miarahaba antsika eto amin’ity forum ity,
    mpanaraka tantara aho ary mba liana amin’ity resaka fiandrianana ity, ka mba te hametraka fanontaniana tokana ihany:
    misy afaka manome hoe Terak’ireto no Zanak’andriana, ireto zazamarolahy, Terak’ireto Andriamasinavalona?
    Mba mety hananana hevitra mahintsy sy tena mazava mantsy io.
    raha manaraka ny resaka eto aho mantsy dia izao no fahazoako azy ka mba ahitsio aho fa mety tena diso:
    ny hatreo amin’ny zafiafin’izay nanjaka farany no Zanakandriana
    ny Zazamarolahy dia misy ny Marolahin’Andriambelomasina (terak’ireo rahhalahy sy anabaviny), misy ny Marolahin’Andrianampoininmerina( terak’ireo rahalahy sy anabaviny)
    Andriamasinavalona: ireo terak’ireo zanak’Andriamasinavalona rehetra

    Dia eo no misy tsy azoko koa: raha ny logique ve tsy tokony misy zazamarolahy koa ireo taranak’ireo zanak’Andriamasinavalona?

    Ny terak’Andrianambonimena ve Zazamarolahy sa classerna ho Andriamasinavalona?

    Misaotra mialoha amin’ny fanazavana

    #20951
    Anonyme
    Inactif

    Tsarava daholo tompoko ry terak’i Rangitamanjakatrimovavy.

    Raha ny marina kely izay mba fantatro dia Ny andriambavy Rasoamanantena vadin’ny Ny andriana Andrianjafintrimo no manana rohim-pihavanana amin’i Atoa Rakotomalala Nirina. Izany hoe samy Andriamasinavalona avy ao Itaosy antampotanàna i Rasoamanatena sy Rakotomalala.

    Dia mankasitraka tompoko.

    #20953
    Anonyme
    Inactif

    Ka izay anie no mapiomehy koa e!
    Itpkl Andrianjafitrimo tsy manana rohim-pihavanana @ Rakotomalala fa ny taranany kosa dia manana satria Rasoamanantena toa hoe anabavin-drainy…

    Ka ho an’ny taranak’Andrianjafitrimo: tsy avy @ « Papà » iany anie no nihavianareo fa avy @ « Mamà » kou e! Ny tsy mifanaraka tsy misy olana fa ny mandà ny maha-mpihavanana anareo @ Rakotomalala ngamba d toa mapiomehy…

    #20963
    Anonyme
    Inactif

    Mba te hamaly kely an’ilay nametraka fanontaniana tamin’ny 22/06/2009.
    Mbola ihainan’ny fianakaviana sasany io resaka Zazamarolahy, Zanakandriana sy Zazamarolahy io ary tena mahasarotiny azy ireo. Tsy sanatria akory ataoko ho mahasosotra ny valin-teniko, fa kosa ho entina ieritreretina.
    No tezaina amin’ny maha zanakandriana anao ianao ? izy ianao izany. Notazaina araka ny maha zazamarolahy anao ianao ? izy ianao izany. Notezainana amin’ny maha andriamasinavalona anao ianao izany ? izy ianao izany. Raha tsy notezaina tamin’ireo ianao, dia mety tsy natao ho anao ny fahafantarana ny atao hoe zanakanadriana, zazamarolahy ary andriamasinavalona.

    #20975
    Anonyme
    Inactif

    Tena marina tokoa fa mbola misy ny fianakaviana sasany no miaina an’io hoe maha Zanak’andriana,Zazamarolahy sy Andriamasinavalona azy io!
    Akehitriny moa dia efa vitsy izy ireo ka hany ka lasa manambady Andriana hafa, nefa na izany aza dia raha mbola azon’izy ireo atao ny manambady olona mitovy fiandrianana @ dia ataony…

5 sujets de 111 à 115 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: