RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire RAFONDRAZAKA avy ao Anosiavaratra

5 sujets de 36 à 40 (sur un total de 56)
  • Auteur
    Posts
  • #22421
    Anonyme
    Inactif

    Ka hoe Andriantsimitoviaminandriana tsy niteraka kou!!!

    #22422
    Anonyme
    Inactif

    taty amin’i nampoina vao nisy ny fanavahina ireo tokony hanjaka sy ny manoa toa an’i Ravaobe sy Princesse ravaozandriny

    Izany ve ? Ary inona no nanjo an’Andriantompokoindrindra sy ry Andriampanarivomanga, Andriantompobe sy ry Andriamasoandro zanaky Ralambo nony nomena fanjakana i Andrianjaka ? Tsy nanoa ireo ? Ary inona no nanjo an’ireo zanaky Andriamasinavalona tsy nahazo fanjakana fa menakely ? Tsy nanoa ireo ?

    Rafondrazaka dia zanaky ny manjaka raha tsy printsy ny tianao hanononana azy tsy olana fa zanakandriana nandova fanjakana fa voasongona izy

    Oadray. Zanakandriana nandova fanjaka fa voasongona ahoana indray ? Zanaky Ravololodralambo vady be angaha izy moa ? sa zanak’anabavy nametrahan-kafatra ? Diniho tsara ny tantara rahavako a.

    Vao teraka fotsiny Rafondrazaka dia efa tsy natao hanjaka satria tsy zanakin’ny vady be. Ary araho tsara ny tantara, fa tsy izy irery akory no zanaky Andriantsimitoviaminandriana. Fa maninona moa no maimay haka an-dRavololondralambo ho vady Andriantsimitoviaminandriana nony navelan’ny rahalahiny avy ao Ambohidratrimo ? Fantany iza no tokony ho zanakandriana mpandova fanjakana. Tsy ny fanjakan’Ambohimanaga no tao an-tsainy tamin’io, fa ny fanjakana Imerina efa-toko nozarain’ny rainy. Fantany tsara fa araky ny hafatr’ Andriamasinavalona, dia ny zanak’anabavin’ Andriamasinavalona no tompon’ny farany. Andriambonimena efa nitsangana ho tompon-kafatra tao Alasora nony tadiavin’ Andrianjakanavalomandimby homena an-janany ny fanjakan’Imerinatsimo. Nefa tsy nahomby fa tsy ampy ny tafika nanohana an’ Andrianambonimena. Zara tsy maty novonoina, ka nangataka ho ahetry andriamasinavalona nefa zanakandriana mpandova fanjakana teo aloha.
    Ravololondralambo koa tompon-kafatra satria zanak’anabavy. Nefa moa momba tsy niteraka, ka voatery nanondro zaza hafa ho mpandova fanjakana. Tsy naka lavitra izy ireo, fa zy zanaky Rangory anabavin’i Ravololondralambo no nalainy. I Rakotomavo no nalainy ho zanaka, satria Andriamohara zokiny efa nalain’i Andrianambonimena tao Alasora ho mpandova fanjakana. Jereo tsara fa tsy nomeny an-janany lahy koa ny tao Alasora, fa nomeny an’ny vinantony, izay fantany fa tompon-kafatra. Tsy nakifika mihintsy i Rafondrazaka, fa efa mahalala ny toerana nisy azy izy teo amin’ny fandovana ny fanjakana.
    Kanefa, diniho tsara ny anarany. Fon-drazaka. Adinodino fa Andriantsimitovaminandriandrazaka no anaran-drainy. Akaiky fo izy mianaka, ka izany no nahazahoany zara-tany goavana, na dia tsy nandova fanjakana aza.

    Ary i Kaloy angaha mbola mizaha ny tena izy foana ? Mierireritra ny mahay tetiarana lavitra kokoa an’i Nampoina sy Mavo angaha ? Ireo mpanjaka ireo aza efa nanaiky ny maha andriamasinavalona ny avy ao Anosy, ka mbola hitady inona indray moa ? Ary misavorovoro ahoana moa ny fianakaviana ? Hainy ny nipoirany fa aza manahy.

    #22426
    Anonyme
    Inactif

    Ny dikany io ry invité dia tsotra an, taty amin’i nampoina vao nisy ny izy mianadahy avy nakana ny Andriana hanjaka sy ny zazamarolahy hanoa. Tamin’ny andron’i Andriamasoandro sy ny namany dia mbola ankibon’ny omby zany zazamarolahy izany.
    Ka raha araky io voalazanao ary mba lazao ny antony ny maha Andriamasinavalona ny zanak’Andriatsimitovy, ilay izy lazainao fa mazava nefa tsy hazavainao; ary raha tsy tera_behivavy izy ve dia tsy zazamarolahy??
    Ka noho izany koa nahoana no nanjaka Andriantsimitovy tao ambohimanga, fa terabehivavy avy aiza moa Ratompondraondriana reniny azafady? ary inona ny caste niavian’i Ratompondraondriana? inona moa izany aminao ny tena critere maha zazamarolahy? satria lazainao fa mazava ny toeran’i Rafondrazaka fa Andriamasinavalona….izy, ahoana io declassement io

    #22427
    Anonyme
    Inactif

    Ny tantara ry Ampandrana dia tsy dia be ny nanoratra momba io, fa ny azoko lazaina anao dia ny avy aty aminay dia ireny zanak’andriamiaramanjaka nalefa tany vakiniadiana sy vakinisisaony ireny any Antanamalaza ny avaratra ary Midamanjaka ny atsimo, ireo ny faritry Tsaravoninahitra rakimpianakaviana sy fasandrazana no tahiry rakitry ny ela fa ny tantara dia tsy milaza mihintsy ny momba ny tompombodivona teo miadamanjaka ohatra na ny taranaka nijanona teny Antanamalaza, ka raha tena liana ianao dia miteteza vohitra fa misy valala mpiandry fasana eny mahay tantara tsara izy ireo ary afaka hanoro anao ny hiafenan’ireo masina ireo…

    #22428
    Anonyme
    Inactif

    post « invité »: Ary i Kaloy angaha mbola mizaha ny tena izy foana ? Mierireritra ny mahay tetiarana lavitra kokoa an’i Nampoina sy Mavo angaha ? Ireo mpanjaka ireo aza efa nanaiky ny maha andriamasinavalona ny avy ao Anosy, ka mbola hitady inona indray moa ? Ary misavorovoro ahoana moa ny fianakaviana ? Hainy ny nipoirany fa aza manahy.



    Raha hoy aho aminao ry « invité » raha fianakaviana avy any, milevina ao amin’ireo fasana misy trano manara ireo no milaza fa Rafondrazaka dia princesse ary niaraka t@ andrianampoinimerina nahazoany ny Raombana ….dia milaza ve ianao fa hainy ny tantara nipoirany??

5 sujets de 36 à 40 (sur un total de 56)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: