Nahoana no mifampiavona ny gasy à Paris ?

Accueil Forums Tsy rariny – Tsy norme Nahoana no mifampiavona ny gasy à Paris ?

5 sujets de 21 à 25 (sur un total de 32)
  • Auteur
    Posts
  • #20256
    Anonyme
    Inactif

    Mahagaga le gasy (en majorité) manana mentalité tsy de mendrika…., tsy haiko hoe nolovaina avy aiza! Fa maninona rehefa mifanena eny an-dalàna de mody fanina na miavonavona? Fa mahafaty ve sa mampihetry voninahitra le mba mifampiarahaba rey olona e, de maninona kou r’efa mba miresaka de mba miteny gasy?
    nefa amiko tsy ho vazaha na oviana2 isika e (na manana taratasy vazaha ary) ! Aleo ny vazaha mitovy @ ny no hametraka azy @ toerany hoy ilay namana iray eto izay @ zay izy saina tonga!!! ? Mba misy fahamarinany ve zany zavatra teneniko zany rey olona sa zah no efa tsy a la page tsony???

    #20260
    Anonyme
    Inactif

    Sarotra amintsika miresaka eto ny mamantatra ny antony marina io toetran’ny gasy toa mihavona io ! satri ireo manana io toetra io toa tsy avy miresaka eto loatra !

    Fa théoriquement complexe lay izy ! ary ny complexe dia complexe d’infériorité daholo indrindra fa ny fihevernana ny tena ho ambony lavitra no ny hafa !!

    Vao haingana aho nivahiny tany Toulouse dia lasa saina tamin’ny gasy sasany hitako tany ! mety ny hitako fotsiny no mihavona angamba !

    #20263
    Anonyme
    Inactif

    Bon,miarahaba antsika rehetra fa mahafinaritra tokoa ny mahalala hoe afaka nahatsapa an’izao toe-javatra izao isika eto.Efa zava-dehibe izany.Ny vaha-olana @ io moa dia tsy misy afa-tsy anakiray ihany, dia nifiverenana miaraka @ n’Andriamanitra izay ihany , isika dia olona asan’i Tanany,ka raha hihevitra isika hoe mahatondra ny fiainan-tsika @ izao dia malahelo aho milaza aminao fa vizana ny miarina ihany, raha tafarina koa.Tsy afaka ny toetra ratsy rehetra na inona na inona raha tsy Andriamanitra no manapaka @ fiainan-tsika manontolo.Ka TSY MAINTSY MIVERINA MAMAKY NY TENIN’ANDRIAMANITRA. Misaotra tompoko.

    #20333
    Anonyme
    Inactif

    raha amiko aloha de mitovy ihany na vao tonga na ela eto france ny gasy gasy ihany tsy oviana ho francais d’ogine fa mba mafy dia mandeha mody any mada fatsy miseho milay aty an tanin’olona ,mody miavona @ malagasy toa azy nefa mandrora mitsilany ihany . mba miova @izay ry gasy fa io ihany no maha pays plus pauvre an’i Mada malalantsika io

    #20334
    Anonyme
    Inactif

    nareo angaha rehefa any Behoririka dia miarahaba izay malagasy rehetra mifanena aminareo ?
    Ao Paris isan’ny tanana efa iaraha-mahafantatra fa tena be dia be ny malagasy, ohata hoe ao Behoririka ihany e

    Izay miarahaba dia arabaina, izay tsy miarahaba tsy atao mankarary fo fa lasa ohatra hoe mitomany arabaina na mampihena ny hasin’ny tena ilay arabaina

5 sujets de 21 à 25 (sur un total de 32)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: